1Manaraka izany, nitsangana i Elia, mpaminany hoatra ny afo,
ary nirehitra hoatra ny fanilo ny teniny.
2Niantso mosary hamely an’i Israely izy,
ary nahavitsy isa azy, noho ny zotom-pony.
3Nanakatona ny lanitra tamin’ny tenin’ny Tompo izy,
ary nampilatsaka afo avy any intelo toy izany ihany koa.
4Voninahitra lehibe manao ahoana, ry Elia,
no azonao tamin’ny fahagagana nataonao
ary zovy no afaka hihambo ho mitovy aminao?
5Ianao nampitsangana ny maty anankiray hiala amin’ny fahafatesana
sy amin’ny Seoly, tamin’ny tenin’ny Avo Indrindra;
6Ianao namarina mpanjaka ho amin’ny faharavana,
sy olo-malaza avy amin’ny fandriany ho any amin’ny fahafatesana;
7ianao nandre fananarana teo ambonin’i Sinaia,
sy didy famaliana tany Horeba;
8ianao nanokana mpanjaka hanao famaliana,
sy mpaminany handimby anao;
9ianao nofaohina tamin’ny tadio afo,
sy tamin-kalesy tarihin-tsoavaly afo;
10ianao voatendry ao amin’ny teny mafy an-tsoratra ho amin’ny fotoana ho avy
ho tsy maintsy hampitony ny hatezerana alohan’ny hirehetany,
hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka indray,
ary hanangana ny firenen’i Israely indray.
11Sambatra izay hahita anao, ka ho voahaingon’ny fitiavana an’Andriamanitra!
Fa izahay koa dia ho velona marina tokoa.
I Elisea12Nony voahodidin’ny tadio i Elia
dia tonga feno ny fanahiny i Elisea.
Nandritra ny andro niainany tsy nisy mpanjaka
nahahozongozona azy,
ary tsy nisy olona nanapaka azy.
13Tsy misy zavatra tsy azony natao,
ary ny vatany tafandry tao am-pasana nanao fahagagana.
14Velona izy, nanao zava-mahagaga;
maty indray nanao zava-mahatalanjona.
Ny vahoaka nivadika ka voasazy15Na dia izany rehetra izany aza tsy nibebaka ny vahoaka,
ary tsy niala tamin’ny fahotany,
mandra-pitondra azy lavitra ny taniny,
sy tafaely amin’ny tany rehetra.
Tsy nisy tavela afa-tsy vahoaka vitsy foana,
mbamin’ny filohany avy amin’ny fianakavian’i Davida.
16Ireo indray kosa, ny sasany nanao izay sitrak’Andriamanitra,
ary ny sasany nampitombo ny fandikan-dalàna.
I Ezekiasa17I Ezekiela nanamafy ny tanànany,
sady nitarika an’i Gihôna ho ao anatin’ny màndany;
nandavaka ny vatolampy tamin’ny vy izy,
ary nanao dobo fitahirizan-drano.
18Tamin’ny androny niakatra i Senakeriba,
ary naniraka an-dRabsakesa; dia niainga io,
ka nanainga tanana hamely an’i Siôna,
ary nihambohambo noho ny fireharehany.
19Tamin’izany nivarahontsana ny fo aman-tanan’izy ireo,
ary latsaka am-panaintainana, toy ny vehivavy miteraka, izy.
20Niantso ny Tompo be indrafo izy,
nanandra-tanana taminy,
ary nandre azy niaraka tamin’izay ny Masina any an-danitra,
ka nanafaka azy tamin’ny alalan’i Izaia.
21Nasiany ny tafiky ny Asirianina
ary naringan’ny Anjeliny ireny.
I Izaia22Fa nanao ny sitraky ny Tompo i Ezekiasa,
ary nifikitra mafy tamin’ny lalan’i Davida rainy,
araka ny famporisihan’i Izaia ilay mpaminany
lehibe sy marina amin’ny fahitany.
23Tamin’ny androny nihemotra ny masoandro,
ary nohalavain’i Izaia ny andro iainan’ny mpanjaka.
24Tamin’ny tsindry mandry mahery izy nahita ny andro ho avy,
ary nampiorina ny tra-pahoriana tao Siôna.
Nanambara ny tsy maintsy ho tonga hatramin’ny fahataperan’ny andro,
mbamin’ny zava-miafina alohan’ny fahatanterahany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.