Jenezy 13 - Malagasy Catholic Bible

Ny nisarahan’i Abrahama sy i Lôta

1Ary niakatra avy any Ejipta nihazo tany atsimo i Abrama, dia izy sy ny vadiny, mbamin’ny fananany rehetra, ary i Lôta koa niaraka taminy.

2Nanana harena be tokoa i Abrama, dia volafotsy ary volamena.

3Dia nandeha izy ka nifindrafindra lasy avy any atsimo ka hatreo Betela amin’ilay niorenany lay tamin’ny voalohany, anelanelan’i Betela sy i Hay;

4dia tao amin’ilay tany nisy ôtely natsangany taloha. Ary teo i Abrama niantso ny anaran’i Iaveh.

5I Lôta izay niara-dia tamin’i Abrama, dia mba nanana omby aman’ondry sy lay koa;

6ka tsy ampy hiarahan’izy roa lahy monina intsony ny faritany, fa efa be dia be ny fananany, ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy.

7Nifanditra ny mpiandry ondrin’i Abrama sy ny mpiandry ondrin’i Lôta. Ny Kananeanina sy ny Ferezeanina no nitoetra tamin’ny tany tamin’izay.

8Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: «Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika.

9Ka aoka hisaraka amiko ianao. Raha mankany amin’ny havia ianao dia havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.»

10Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.

11Ka dia ny tany lemak’i Jordany no nofidin’i Lôta ho azy; ka nifindra niantsinanana izy; toy izany no nisarahan’izy roa lahy.

12I Abrama nonina tamin’i Kanaana, ary i Lôta kosa nonina tao afovoan’ireo tanàna eo amin’ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sôdôma.

13Ary ny mponina tany Sôdôma dia olon-dratsy sy mpanota indrindra tamin’i Iaveh.

14Ary hoy i Iaveh tamin’i Abrama taorian’ny nisarahan’i Lôta taminy: «Atopazo ny masonao ary eto amin’ity fitoerana misy anao ity dia mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miankandrefana sy miantsinanana;

15fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao.

16Hataoko toy ny vovo-tany, ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.

17Koa mitsangàna ianao, tetezo an-davany sy an-tsakany ny tany, fa homeko anao izy.»

18Dia nifindra toby i Abrama ka nandeha nonina teo amin’ny terebintan’i Mambre, izay any Hebrôna, ary teo izy nanangana ôtely ho an’i Iaveh.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help