Izaia 66 - Malagasy Catholic Bible

Tenin’Andriamanitra

1Izao no lazain’i Iaveh:

Ny lanitra no seza fiandrianako;

ary ny tany no fitoeran-tongotro.

Ka trano inona no hataonareo ho Ahy,

ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?

2Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa;

ka izany no nahatonga azy ho misy;

- teny marin’i Iaveh.-

Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena

sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.

Tsy azo afangaro ny fivavahana

3Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona;

izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika;

izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa;

izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy.

Tahaka ny ifidianany ny lalany,

sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,

4toy izany koa aho hifidy ny fampahoriana azy

sy hampianjera amin’izy ireo ny zavatra atahorany,

satria miantso Aho, fa tsy nisy namaly;

niteny Aho, fa tsy nohenoin’izy ireo;

izay ratsy eo imasoko no nataony;

ary izay tsy sitrako no nofidiny.

Tononkalo Apôkalipsa

5Mihainoa ny tenin’i Iaveh,

ianareo izay mangovitra amin’ny teniny:

Niteny ireo rahalahinareo izay mankahala anareo,

sady nandroaka anareo noho ny amin’ny Anarako, nanao hoe:

«Aoka hasehon’i Iaveh ny voninahiny,

mba hahitanay ny fifalianareo!»

Kanefa izy ireo no ho menatra.

6Injany misy kotroka sy hahohaho avy any amin’ny tanàna,

ary horakoraka avy ao an-tempoly!

dia ny feon’i Iaveh,

mandoa ny karaman’ireo fahavalony izany.

7Mbola tsy nihetsi-jaza izy, dia efa niteraka;

mbola tsy nanaintaina akory, dia efa velon-jazalahy!

8Zovy no mba efa nandre izay toy izany,

zovy no mba efa nahita izay tahaka izany.

Misy tany iray teraka indray andro va?

na firenena iray natao indray niteraka?

no vao nihetsi-jaza i Siôna

dia niteraka ireo zanany?

9Hanokatra ny fiterahana va Aho, ka tsy hampiteraka?

hoy i Iaveh;

sa Izaho izay mampiteraka indray no hisakana tsy hiteraka?

hoy ny Andriamanitrao

10Miaraha mifaly amin’i Jerosalema ianareo,

ary miravoravoa noho ny aminy, ianareo rehetra tia azy.

Ary aoka hiara-mientan-kafaliana aminy avokoa,

ianareo nitomany azy;

11mba hinonoanareo sy hivokisanareo,

amin’ny nonon’ny fampiononany;

ary mba hankafizanareo amim-pahafinaretana,

ny hafenoan’ny voninahiny.

12Satria izao no lazain’i Iaveh:

Indro hataoko misononoka eo aminy, ny fiadanana hoatra ny ony,

sy ny voninahitry ny firenena, hoatra ny renirano tondraka;

ka ianareo dia hampinonoina, hotrotroina,

ary hosafosafoina eo am-pofoana.

13Hoatra ny olona alan-dreniny alahelo,

no hanalako alahelo anareo,

ka dia ho afaka alahelo ao Jerosalema ianareo.

14Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo,

ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo.

Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy,

sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany.

15Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo;

ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio,

hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana,

sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda.

16Fa amin’ny afo no anaovan’i Iaveh ny fitsarana,

ary ny sabany no ampiharany azy amin’ny nofo rehetra;

ary maro no ho voagorobak’i Iaveh.

Fanoherana ny fivavahana amin’ny sampy

17Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly,

eo ivohon’ilay iray efa mijoro eo afovoany,

izay mihinana hena kisoa

sy ny zava-betaveta mbamin’ny totozy,

dia hiara-devona avokoa, - teny marin’i Iaveh.-

18Fa Izaho mahalala ny asany aman-kevitr’izy ireo!

Lahateny momba ny farandro

Tonga ny fotoana hamoriana

ny firenena rehetra mbamin’ny samy hafa fiteny rehetra.

Ho avy izy ireo ka hahita ny voninahitro,

19ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho.

Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena,

any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka,

Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra,

tsy mbola nandre ny lazako akory,

na nahita ny voninahitro;

dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo.

20Ny rahalahinao rehetra dia naverin’izy ireo,

avy amin’ny firenena rehetra,

ho fanatitra ho an’i Iaveh;

haveriny mitaingin-tsoavaly, ambony kalesy, am-pilanjana,

mitaingina mole aman-drameva,

ho ao amin’ny tendrombohitro masina,

ho any Jerosalema, hoy i Iaveh,

toy ny itondran’ny zanak’i Israely ny fanatitra

ao anaty lovia, any an-tranon’i Iaveh.

21Ary misy halaiko aza amin’izy ireo,

ho mpisorona sy Levita, hoy i Iaveh.

22Fa tahaka ny lanitra vaovao,

sy ny tany vaovao efa hoarîko,

haharitra eo anatrehako, - teny marin’i Iaveh,-

no haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.

23Isaky ny voalohan’ny volana isaky ny voalohan’ny volana,

sy isan-tsabata isan-tsabata,

ho avy hiankohoka eo anatrehako ny nofo rehetra,

hoy i Iaveh.

24Ary rehefa nivoaka izy ireo,

dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko;

fa ny kankan’ireny tsy ho faty

ny afony tsy hovonoina,

ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help