1I Simôna zanak’i Oniasa no mpisorona lehibe,
namboatra ny tranon’ny Tompo tamin’ny andro niainany,
ary nanamafy ny tempoly nandritra ny andro niainany;
2izy no nandatsaka ny fototra hanovona avo sasaka
ny manda avo izay manohana ny manodidina ny Tempoly.
3Tamin’ny androny no nanaovana ny famorian-drano;
ny varahina nanaovana azy mitovy habe amin’ny vavan’ny ranomasina.
4Nikarakara ny vahoakany izy, mba hiaro azy amin’ny faharavana,
ary nanamafy ny tanàna, hahatoha ny fahirano.
5Endrey izany fiandrianany, teo afovoan’ny vahoaka tafavory manodidina,
nony nivoaka ny trano misy fisalobonana izy!
6Fa toy ny kintana fitarikandro manjopiaka maninteraka ny rahona,
toy ny volana amin’ny andro maha-fenomanana azy,
7toy ny masoandro mamirapiratra
eo ambonin’ny tempolin’ny Avo Indrindra,
ary toy ny avana mamirapiratra eo amin’ny rahona mazava;
8toy ny vonin-drôzy amin’ny andro lohataona;
toy ny lisy eo amoron’ny rano;
toy ny sampan-kazo mani-pofona, amin’ny andro fahavaratra;
9toy ny zava-manitra, eo ambonin’ny afo fanembohana,
toy ny vazy volamena am-ponjany,
voaravaka vatosoa isan-karazany;
10toy ny fototr’ôliva efa mitsiry voa,
ary toy ny sipresa mijoalajoala anatin’ny rahona.
11Rehefa manao ny akanjom-boninahitra izy,
ka voatafy ny fanamiany rehetra,
ary miakatra eo amin’ny ôtely masina,
dia mampamirapiratra ny manodidina ny fitoerana masina.
12Fa rehefa mandray ny lanin-tsorona,
avy eo an-tanan’ireo mpisorona izy,
ka mijoro eo akaikin’ny fatan’ny ôtely,
hodidinin’ireo rahalahiny manao faribolana,
dia miseho ho toy ny sedera kanto any Libàna izy,
ary ireo mpisorona manodidina azy, toa fototr’antrendry.
13Ireo taranak’i Aarôna rehetra
dia voatafy ny fanamiany kanto avokoa,
sy mitana ny fanatitra ho an’ny Tompo, eo an-tanany,
eo anatrehan’ny fiangonana’i Israely rehetra.
14Ary rehefa vitany ny fanompoana eo amin’ny ôtely,
dia ny hampitombo hatsarana ny fanatitra
ho an’ny Avo Indrindra tsitoha,
no nanamparany ny tanany eo ambonin’ny kapoaky ny fanatitra araraka,
ka nandrarahany ny ram-boaloboka.
15Naidiny eo am-pototry ny ôtely,
dia hanitra mani-pofona ankasitrahin’ny Avo Indrindra sy Mpanjaka lehibe.
16Ireo taranak’i Aarôna amin’izany nihoby,
nitsoka ny trômpetra vita amin’ny vy voatefy,
ary nandefa horaka mikotrokotroka,
ho fahatsiarovana eo anatrehan’ny Avo Indrindra.
17Ny vahoaka rehetra amin’izany dia indray dodona
nihohoka tamin’ny tany,
hitsaoka ny Tompony,
ny Andriamanitra Tsitoha, ny Avo Indrindra.
18Ny mpihira indray manampatra ny feony midera azy;
manakoako eran’ny Tempoly lehibe ny hira mireondreona.
19Ary ny vahoaka mitaraina amin’ny Tompo Avo Indrindra,
variana mivavaka eo anatrehan’ny Mpamindra fo,
mandra-pahatapitry ny fombam-pivavahan’ny Tompo,
sy mandra-pahavitan’ny mpisorona ny fanompoana masina.
20Dia nidina tamin’izay ny mpisorona lehibe,
ka nanandratra ny tanany,
amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra,
mba hiloa-bava hanome ny tso-drano avy amin’ny Tompo,
sy hahazo voninahitra amin’ny Anarany.
21Dia niankohoka indray ny vahoaka,
mba handray ny tso-drano avy amin’ny Avo Indrindra.
Famporisihana22Ary ankehitriny misaora ny Tompon’izao rehetra izao
izay nanao zava-dehibe hatraiza hatraiza,
izay nampanan-daza ny androntsika hatramin’ny voalohany,
ary nitondra antsika araka ny famindram-pony.
23Homeny hafaliam-po anie isika;
aoka ho amin’izao androntsika izao anie ny fiadanana,
dia ho amin’i Israely toraky ny tamin’ny andro lasa!
24Hitoetra amintsika mandrakizay anie ny famindram-pony,
ary hanafaka antsika anie izy rehefa tonga ny androny.
Ohabolana ilazana isa25Misy firenena roa halan’ny foko,
ary ny fahatelony tsy firenena akory aza:
26dia ireo monina any an-tendrombohitra Seira, ny Filistinina,
ary ilay vahoaka adala monina ao Sikema.
Famaranana27Amin’ity boky ity aho nanoratra
fampianaran-tsaina amam-pahaizana,
izaho Jesò zanak’i Siràka avy ao Jerosalema,
izay namoaka be dia be ny fahendren’ny foko.
28Sambatra izay hifototra amin’izany fampianarana izany;
ho tonga hendry izay mandray azy ao am-pony;
29fa handresy amin’ny zavatra rehetra izy, raha manaraka izany:
satria ny fahazavan’ny Tompo no lalany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.