1Nony vitan’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra sitrak’i Salômôna sy izay niriny,
2dia niseho fanindroany taminy indray i Iaveh, toy ny nisehoany taminy tany Gabaôna.
3Ary izao no nolazain’i Iaveh taminy: «Nohenoiko ny vavaka amam-pifonanao, nataonao tamiko, ka efa nohamasiniko ity trano nataonao ity, mba hametrahako ny Anarako ao mandrakizay, ka dia ho eto mandrakariva ny masoko sy ny foko.
4Ary ianao, raha mandeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’i Davida rainao, amin’ny fahatsoran’ny fonao sy amim-pahitsiam-po manaraka izay nandidiako anao, raha mitandrina ny didy amam-pitsipiko ianao,
5dia hataoko mafy orina mandrakizay ny seza fiandrianan’ny fanjakanao amin’i Israely, araka ny efa nolazaiko tamin’i Davida rainao hoe: Tsy ho lany taranaka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ianao.
6Fa raha mivily miala amiko kosa ianao na ny tenanareo na ny zanakareo, ka tsy mitandrina ny didy aman-dalàko izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
7dia hofongorako eo amin’ny tany nomeko azy i Israely, hariako tsy ho eo imasoko intsony ny trano nohamasiniko ho an’ny Anarako, hanjary fandatsa sy ambentintenin’ny firenena rehetra i Israely;
8ho avo toerana ihany ity trano ity, nefa hitalanjonana sy hisitrisîran’ny mpandalo rehetra. Dia hiteny ny olona hanao hoe: Fa naninona no dia nataon’i Iaveh toy izao ity tany ity sy io trano io?
9Ary ny olona hamaly hanao hoe: Satria izy ireo nandao an’i Iaveh Andriamaniny, izay namoaka ny razany avy tany amin’ny tany Ejipta, ka andriamani-kafa no nifikirany sy niankohofany teo anatrehany ary notompoiny, ka izany no nampidiran’i Iaveh izao loza rehetra izao tamin’izy ireo.»
Fifanakalozana tamin’i Hirama10Nony afaka roapolo taona, ka efa naorin’i Salômôna ny trano roa, dia ny tranon’i Iaveh sy ny tranon’ny mpanjaka: i Hirama, mpanjakan’i Tira, no efa namonona ny hazo sedera sy ny hazo sipresa mbamin’ny volamena ho an’i Salômôna araka izay nilainy,
11ka dia nomen’ny mpanjaka Salômôna tanàna roapolo teo amin’ny tany Galilea i Hirama.
12Dia niala tany Tira i Hirama hizaha ny tanàna nomen’i Salômôna azy, ary tsy tiany ireny,
13ka hoy izy: «Edrey, itony tanàna mba nomenao ahy, ry rahalahy!» Ary nataony hoe tany Kabola no anaran’ireny mandrak’androany.
14Efa nampanitatra talenta volamena 120 ho an’i Salômôna i Hirama.
Fanompoana teo amin’ny asa fanorenana15Izao kosa no momba ny olona mpanao fanompoana nalain’i Salômôna, hanaovana ny tranon’i Iaveh sy ny tranony, i Melao sy ny mandan’i Jerosalema, i Hasera, i Megedaô, ary i Gazera.
16I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, dia efa niakatra ka nahafaka an’i Gazera, dia nodorany ny tanàna, novonoiny ny Kananeanina nonina tao an-tanàna, dia nomeny ho haren-jazavavy izy, ho an’ilay zanany vadin’i Salômôna.
17Ary izao no naorin’i Salômôna: Gazera, Bety-Hôrôna ambany,
18i Baalata, i Tadmora any amin’ny tany efitra,
19ny tanàna rehetra natao fitahirizana, ka an’i Salômôna, ny tanàna ho an’ny kalesy, ny tanàna ho an’ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin’izay rehetra tian’i Salômôna naorina tany Jerosalema sy i Libàna ary tany amin’ny tany rehetra nanapahany.
20Ary ny vahoaka sisa rehetra tamin’ny Amôreana, Heteanina, Ferzeanina, Heveanina, mbamin’ny Jeboseanina izay tsy isan’ny zanak’i Israely,
21dia ny taranaka mandimby azy ireo tamin’ny tany, izay tsy azon’ny zanak’i Israely natao anatema, no nalain’i Salômôna andevo mpanao fanompoana, dia mbola toy izany ireo mandrak’androany.
22Fa tsy mba nisy nataon’i Salômôna andevo ny zanak’i Israely, fa izy ireo no lehilahy mpiantafika, mpanompony, mpifehy, manamboninahitra, komandin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly.
23550 lahy no lehiben’ny komadaoron’ny mpiasan’i Salômôna.
24Ary niakatra ny zanaka vavin’i Faraôna avy any an-tanànan’i Davida, ho ao amin’ny tranony, izay nataon’i Salômôna ho azy, ka tamin’izay izy no nanorina an’i Melaô.
Ireo sorona tao an-tempoly(Jereo 2Tan 8,12-16)25Intelo isan-taona no nanateran’i Salômôna sorona dorana aman-tsorom-pihavanana, teo ambonin’ny ôtely nataony ho an’i Iaveh, sady nandoro zava-manitra teo ambonin’ny ôtely izay eo anatrehan’i Iaveh koa izy. Toy izany no nahavitany ny trano.
3. I SALÔMÔNA MPANAO VAROTRAI Salômôna mpanao sambo(Jereo 2Tan 8,17-18)26Ary i Salômôna mpanjaka nanao sambo maro tao Asiôngabera, akaikin’ny Ailata amoron’ny Ranomasina Mena, amin’ny tany Edôma.
27Ary nalefan’i Hirama tamin’izany sambo izany ny mpanompony, izay matilò mahay ranomasina, hiaraka amin’ny mpanompon’i Salômôna.
28Nankany Ofira izy ireo, naka talenta volamena 420 tany, dia nentiny tamin’i Salômôna mpanjaka.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.