1Nony hitan’i Atalia renin’i Okoziasa fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’andriana rehetra.
2Fa i Jôsabà zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, sy anabavin’i Okoziasa naka an’i Jôasa zanak’i Okoziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin’ny zanak’andriana, izay novonoin’ny olona, ary nametraka azy mbamin’ny mpitaiza azy, tao an’efitrano fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan’ny mason’i Atalia, ka tsy novonoina izy.
3Enin-taona no nieran’izy sy i Jôsabà tao an-tranon’i Iaveh. Ary i Atalia no nanjaka tamin’ny tany.
4Tamin’ny taona fahafito, i Jôiadà naniraka haka ny tompon-jaton’ny Karianina sy ny mpihazakazaka ary nasainy nanatona azy ao an-tranon’i Iaveh. Nanao fanekena tamin’izy ireo izy, ka nony efa nampianiana azy tao an-tranon’i Iaveh izy, dia nasehony azy ity zanaky ny mpanjaka.
5Raha efa izany, dia izao no baiko nomeny azy ireo: «Izao no hataonareo: Ny ampahatelony aminareo izay miditra hanao fanompoana amin’ny andro sabata, mba hiambina ny tranon’ny mpanjaka,
6ny ampahatelony eo am-bavahady Sora, ny ampahatelony eo am-bavahadin’ny mpiambina, - dia hiambina ny tranon’i Iaveh mba hiaro ny fidirana ao.
7Ny roa toko sisa aminareo, izay rehetra miala fanompoana amin’ny andro sabata kosa mba hiambina ao amin’ny tranon’i Iaveh ao akaikin’ny mpanjaka,
8dia hanemitra manodidina ny mpanjaka samy hitam-piadiana avy, ka raha misy miditra ny laharana, dia vonoy ho faty, ary ho eo akaikin’ny mpanjaka ianareo na mivoaka izy na miditra.»
9Notanterahin’ny tompon-jato avokoa ny didy nomen’i Jôiadà mpisorona azy. Samy naka ny olom-peheziny avy izy ireo, na ny milatsaka amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, na ny miala amin’ny fanompoana amin’ny andro sabata, dia nankany amin’i Joiadà mpisorona.
10Natolotry ny mpisorona ny tompon-jato ny lefona aman’ampinga izay an’i Davida mpanjaka, sy nipetraka tao an-tranon’i Iaveh.
11Samy nitam-piadiana ny mpihazakazaka dia nilahatra hatramin’ny lafin-trano ao ankavanana, ka hatramin’ny lafiny havia, akaikin’ny ôtely, sy akaikin’ny trano, hany ka voahodidiny ny mpanjaka.
12Naroson’ny mpisorona ny zanaky ny mpanjaka, ka nataony teo aminy ny diadema sy ny vavolombelona. Natsangany ho mpanjaka izy, ary nohosorany, ka sady nitehaka ny olona no niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
13Nony nandre ny fihahohahon’ny mpihazakazaka sy ny vahoaka i Atalia dia nankao amin’ny vahoaka izy, ao an-tranon’i Iaveh.
14Nijery izy ka inty ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny lampihazo araka ny fanao. Teo anilan’ny mpanjaka ny lehibe sy ny mpitsoka trômpetra, ary faly ny vahoaka rehetra, ary nitsoka trômpetra ny olona. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia, ka niantso hoe: «Teti-dratsy! Teti-dratsy!»
15Tamin’izay i Jôiadà mpisorona nanome didy ny tompon-jato mpifehy ny foloalindahy ary nilaza taminy hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharanareo hivoaka ny trano, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza.» Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: «Aza vonoina eto an-tranon’i Iaveh izy.»
16Dia nihataka teo an-daniny roa ny olona, dia nandeha tamin’ny lalana fidiran-tsoavaly ho ao amin’ny lapan’ny mpanjaka ravehivavy, ka teo no namonoana azy.
17Nampanaovan’i Jôiadà fanekena tamin’i Iaveh sy ny mpanjaka ary ny vahoaka, ny tsy maintsy haha-vahoakan’i Iaveh azy ireo. Ary nampanaoviny fanekena koa ny mpanjaka sy ny vahoaka.
18Ny vahoaka rehetra tamin’ny tany dia niditra tao amin’ny tranon’i Baala ka noravany; ny ôtely aman-tsary nomontsaniny, ary i Matàna mpisoron’i Baala novonoiny teo anoloan’ny ôtely. Nony nametraka mpiambina tao amin’ny tranon’i Iaveh
19i Jôiadà mpisorona, dia nalainy avokoa ny tompon-jato, ny Karianina, ny mpihazakazaka, mbamin’ny vahoaka rehetra tamin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia niditra tao an-dapan’ny mpanjaka tamin’ny vavahadin’ny mpihazakazaka, ka nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka i Jôasa.
20Nifaly avokoa ny vahoaka rehetra tamin’ny tany, nandry feizay ny tanàna, ary novonoina tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny mpanjaka i Atalia.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.