Osea 14 - Malagasy Catholic Bible

1Hofaizina i Samaria,

fa niodina tamin’ny Andriamaniny;

ho lavon-tsabatra izy ireo!

hotorotoroina ny zanany madinika;

ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.

3. FIBEBAHAN’I ISRAELY SY FAMITRANAM-PIHAVANANA NY HO AVY

2Miverena amin’i Iaveh, ry Israely,

fa ny helokao no nahalavo anao.

3Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo,

ka miverena amin’i Iaveh, lazao aminy hoe:

Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara.

Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy

ny teny avy amin’ny molotray.

4I Asora tsy hamonjy anay,

izahay tsy hitaingin-tsoavaly;

na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô!

amin’ny asan’ny tananay.

Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!

5Hositraniko ny fiodinany;

ho tiako amin’ny foko tokoa izy,

fa efa niala taminy ny fahatezerako.

6Ho toy ny ando Aho amin’i Israely;

ka haniry toy ny lisy izy,

ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna.

7Ny rantsany hisandrahaka;

ny voninahiny, ho toy ny an’ny fototr’ôliva,

ary ny fofony manitra ho tahaka ny an’i Libàna.

8Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony,

hampahavokatra ny vary indray;

haniry toy ny voaloboka izy;

ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.

9Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy?

Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy;

tahaka ny sipresa maitso Aho;

Izaho no iavian’ny voanao.

Fampitandremana farany

10Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany,

izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina.

Fa mahitsy ny lalan’i Iaveh;

ka ny marina no hizotra eo,

fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help