1Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, tonga i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna hamely an’i Jerosalema, ka nanao fahirano azy.
2Natolotry ny Tompo, ho an-tanany i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny fanaka sasany tao an-tranon’Andriamanitra, ka nentiny ireny, ho any amin’ny tany Senaara, ao amin’ny tranon’ny andriamaniny, sady napetrany tao amin’ny firaketan’ny andriamaniny ny fanaka.
3Nanome teny an’i Asfeneza, lehiben’ny eonòkany, ny mpanjaka, hitondra ny sasantsasany amin’ny zanak’i Israely izay isan’ny taranak’andriana, na izay avo razana,
4ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany, nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara, hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka, sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeanina.
5Natokan’ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan’andro, amin’ny hanin’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony, mba hitoerany eo anatrehan’ny mpanjaka, rehefa nobeazina telo taona izy ireo.
6Anisan’ireo i Daniela, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa, avy amin’ny taranak’i Jodà.
7Nomen’ny lehiben’ny eonoka anarana izy ireo: ka i Daniela nataony hoe Baltasara, i Ananiasa nataony hoe Sidràka, i Misaely nataony hoe Misàka, ary i Azariasa nataony hoe Abdenegao.
8Tapa-kevitra tao am-pony i Daniela fa tsy handoto tena amin’ny hanim-pihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony: ka nangataka tamin’ny lehiben’ny eonoka izy mba tsy hanery azy handoto tena.
9Ary nataon’Andriamanitra nahita fitia tamin’ny lehiben’ny eonoka i Daniela.
10Hoy ny lehiben’ny eonoka tamin’i Daniela: «Matahotra ny mpanjaka tompoko, aho, fa tenany no nandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo; fa ahoana moa izy no hahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ireo zatovo mitovy taona aminareo? Hanao izay hanapahan’ny mpanjaka ny lohako ianareo izany.»
11Dia hoy i Daniela tamin’ny mpikarakara sakafo notendren’ny lehiben’ny eonoka hikarakara an’i Daniela, i Ananiasa, i Misaely, sy i Azariasa:
12«Masìna ianao, manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanomponao: hanin-kotrana hohanina sy rano hosotroina ihany omena anay.
13Ka rehefa afaka izany, samy hojerenao ny tarehinay sy ny an’ireo zatovo mihinana amin’ny hanin’ny mpanjaka, dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao.»
14Nekeny ny hatak’izy ireo, ka nizaha toetra azy izy hafoloana.
15Nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra nihinana tamin’ny hanin’ny mpanjaka.
16Ka dia nentin’ilay mpikarakara sakafo ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroina, fa hanin-kotrana no nomeny azy.
17Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy, samy nomen’Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra; ary i Daniela nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra.
18Nony tonga ny fotoana voatendrin’ny mpanjaka hampidirana azy rehetra, dia nentin’ny lehiben’ny eonòka ho eo anatrehan’i Nabokodonozora izy ireo.
19Niresaka tamin’izy rehetra ny mpanjaka, ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an’i Daniela, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa; ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo.
20Tamin’ny zavatra rehetra ilàm-pahalalana, nanontanian’ny mpanjaka azy ireo, dia hitany fa nanan-tombo impolo heny noho ny an’ny mpahay taratasy ama-mpisikidy rehetra, teo amin’ny fanjakany manontolo, ny fahambonian’izy ireo.
21Toy izany i Daniela hatramin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.