Ezekiela 30 - Malagasy Catholic Bible

Ny andron’i Iaveh amelezany an’i Ejipta

1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

2Ry zanak’olona, maminania ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Midradradradrà ianareo! Endrey! izao andro izao!

3Fa efa antomotra ny andro; antomotra ny andro ho an’i Iaveh! Andron-drahona! Io no fotoan’ny firenena!

4Hisy sabatra ho tonga hamely an’i Ejipta; ary hisy fitebitebena mafy any Etiôpia, rehefa hiampatrampatra any Ejipta ny maratra ho faty, rehefa halaina ny hareny, sy horavana ny fanorenany.

5Ny Etiôpianina, ny Libianina, ny Lidianina, ny hafa firenena isan-karazany, i Koba, sy ny zanaky ny tany vita fanekena, ho lavon-tsabatra miaraka aminy koa.

6Izao no lazain’i Iaveh: Ho lavo ry zareo niankinan’i Ejipta, ary haetry ny fiavonavonan’ny heriny: Hatrany Migdôla ka hatrany Siena, dia ho lavon-tsabatra ny olona, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -

7Ho lao eo amin’ny tany lao izy; ary ho rava eo amin’ny tanàna rava ny tanànany.

8Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, raha avy izay handoroako an’i Ejipta sy hahatorotoro an’izay rehetra manampy azy.

9Amin’izany andro izany, hisy iraka avy amin’ny Anarako handeha an-dakana hampitebiteby an’i Etiôpia izay mitoetra tsy amin’ahiahy, ka hisy fanahiana lehibe any aminy, toy ny tamin’ny andron’i Ejipta, fa indro tonga izy io.

10Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hampitsahatra ny tabataba ben’i Ejipta Aho, amin’ny tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.

11Izy mbamin’ny vahoakany miaraka aminy, firenena masiaka noho ny hafa rehetra, no hoenti-mandrava an’i Ejipta; hanatsoaka sabatra hamelezana an’i Ejipta izy, ka hameno faty ny tany.

12Ny ony hovako ho tany maina; ny tany hatolotro eo an-tanan’ny olona masiaka; ary ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy, horavako, amin’ny tanan’ny hafa firenena. Izaho Iaveh no niteny.

13Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nôfa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin’ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.

14I Patrôsa horavako; i Tsôana hodorako; i Nô, hanatanterahako fitsarana;

15hampidina ny hatezerako amin’i Sina, trano mimandan’i Ejipta; ary hofongorako ny vahoaka be any Nô.

16I Ejipta hodorako; i Sina, hiolanolana mijaly; i Nô halana an-keriny; ary i Nôfa, hanihim-pahavalo antoandrobe.

17Ny zatovon’i Avena sy i Bobasta, ho lavon-tsabatra; ary ny tenan’izy ireo ho lasan-ko babo.

18Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan’i Ejipta, sy hitsaharan’ny fiavonavonan’ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy.

19Hanao fitsarana an’i Ejipta Aho, ka ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.

20Tamin’ny taona faha-11, volana voalohany, andro fahafiton’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

21Ry zanak’olona, ny sandrin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta,

dia notapahiko, ka indro tsy notsaboina,

tsy nasiam-panafody na nopetahana bandy,

hitsaboana azy mba hahatanjaka azy, hahatan-tsabatra.

22Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Indro Aho ho avy, amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta;

hotapahiko ny sandriny roa,

na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka,

ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tanany.

23Haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina,

ary hahahako any amin’ny tany.

24Fa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko,

ary ny sabatro, hataoko eo an-tanany;

hotapahiko kosa ny sandrin’i Faraôna

ka hitoloko eo anoloany izy, toy ny fitolokon’ny maratra ho faty.

25Ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko;

ny sandrin’i Faraôna kosa hianjera;

ary ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho,

rehefa ataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny sabatro;

ka hoentiny mamely ny tany Ejipta.

26Haeliko any amin’ny firenena ny Ejiptianina,

ary hahahako any amin’ny tany izy;

dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help