Jôba 11 - Malagasy Catholic Bible

Ny fahendren’Andriamanitra miantso an’i Jôba hiaiky

1Dia niteny i Sôfara avy any Naamà, ka nanao hoe:

2«Tsy hisy valiny va ny teny maro be,

ary ny basivava ve no hanana ny marina?

3Izay bedibedinao ve no hampangina ny olona?

Haniratsira ve ianao ka tsy hisy handresy lahatra anao e?

4Hoy ianao tamin’Andriamanitra: ‹Ny fisainako no marina,

ary tsy manan-tsiny eo anatrehanao aho›.

5Endrey, raha mety miteny Andriamanitra,

ka mety hiloa-bava hamaly anao,

6raha ambarany anao ny zava-miafina ao amin’ny fahendreny

mbamin’ny safeliky ny hevitra kendreny izay voatakona,

dia ho hitanao fa misy hadinony ny helokao.

7Mihambo hanakatra ny halalinan’Andriamanitra va ianao,

sy hahatratra ny fahalavorarian’ny Tsitoha?

8Avo tahaka ny lanitra izany, ka hataonao ahoana?

lalina noho ny fonenan’ny maty izany, ka inona no ho fantatrao?

9Ny fandrefesana Azy lava noho ny tany,

malalaka noho ny ranomasina.

10Raha miantoraka amin’ny meloka Izy, sy misambotra azy,

raha mamory ny mpitsara: zovy moa no hahatohitra izany?

11Fa fantany ny olon-dratsy:

hitany ny haratsiana, raha mbola tsy miahy ny ho hita izy ity.

12Amin’ny fandinihina izany, na ny adala aza hahazo hevitra,

na ny zanak’ampondra dia aza, ho tonga manan-tsaina.

13Fa ianao kosa raha mitondra ny fonao ho amin’Andriamanitra

mananty tanan-droa miandrandra Azy,

14raha manary lavitra ny hadisoanao izay eo an-tananao,

ary tsy mampitoetra ny tsy fahamarinana eo an-dainao,

15dia hatrakanao tsy manan-tsiny ny handrinao;

tsy hangozohozo na hanan-tahotra intsony ianao.

16Hohadinoinao amin’izay ny fahorianao,

ho toy ny rano mandalo no hahatsiarovanao azy.

17Ny ho avy hiposaka aminao mamirapiratra toy ny mitatao vovonana,

ny maizina hiova hanjary mazava atsinanana.

18Ho feno toky ianao, ary tsy ho foana ny fanantenanao;

hijery ny manodidina anao ianao, dia handry tsy amin’ahiahy,

19handry feizay ianao, ka tsy hisy mpanabataba,

ary maro no hanafosafo ny tavanao.

20Fa ny mason’ny ratsy fanahy kosa hihalevona,

tsy misy hialofany;

toy ny fofon’ain’ny miala aina ny fanantenany».

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help