Esdrasa 1 - Malagasy Catholic Bible

FIVERENANA AVY ANY AN-TSESITANYNAORINA INDRAY NY TEMPOLYNy niverenan’ny Siônista(Jereo 2Tan 36,22-23)

1Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’i Iaveh ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa, mba hahatanteraka ny tenin’i Iaveh, nolazainy tamin’i vavan’i Jeremia: ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra, hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:

2«Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy, any Jerosalema any Jodà.

3Ka iza aminareo no vahoakany? Homba azy anie ny Andriamaniny, ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy, ka hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema.

4Aoka ny olona rehetra sisan’i Jodà ao amin’ny fonenana itoerany, na iza na iza, dia hoampian’ny olona ao amin’io fonenana io, amin’ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo hanaovana ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.»

5Dia nitsangana ny loham-pianakavian’i Jodà sy i Benjamina, ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra namporisihan’Andriamanitra ny fanahiny, ka lasa nandeha hanao ny tranon’i Iaveh any Jerosalema.

6Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy, tamin’ny fanaka volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zavatra sarobidy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.

7Nalain’i Sirosa ny fanaky ny tranon’i Iaveh nesorin’i Nabokodonozora tao Jerosalema sy napetrany tao amin’ny tempolin’ny andriamaniny.

8Napetrak’i Sirosa mpanjakan’i Persa tao am-pelatanan’i Mitridata mpitahiry vola izany, ary izy no nanolotra azy, rahefa nisainy, tamin’i Sasabasara, filohan’i Jodà.

9Ka izao no isany: siny volamena 30, siny volafotsy 1.000, antsy 29,

10Kôpy volamena 30, kôpy volafotsy ambaratonga faharoa 410, ary fanaka hafa koa.

115.400 no totalin’ny fanaka volamena sy volafotsy. Dia nentin’i Sasabasara avokoa ireo, nony niverina avy any Babilôna ho any Jerosalema ireo voasesitany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help