Salamo 4 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 4Vavaka hariva

1 Ho an’ny mpampianatra hira amin’ny zava-maneno tendrena. Salamon’i Davida.

2Ry Andriamanitry ny fahamarinako ô, valio aho raha miantso Anao,

Ianao izay mahalalaka ahy amin’izay mahaporitra ahy.

Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavahako.

3Ry zanak’olombelona ô, mandra-pahoviana no ho

voatsiratsira ny voninahitro?

Mandra-pahoviana no hitiavanareo ny zava-poana,

sy hitadiavanareo ny lainga?

- Selà

4Fantatro fa efa nofantenan’i Iaveh ho azy ny olon-tia vavaka iray;

ka mihaino i Iaveh raha miantso Azy aho

5Matahora ka aza manota intsony!

Mitenena anakam-po ao am-pandrianareo,

ka mitsahara!

- Selà

6Manatera sorom-pahamarinana,

ary matokia an’i Iaveh.

7Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana?

Ataovy miposaka aminay ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!

8Fa Ianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo,

amin’ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divay vaovao.

9Handry amam-piadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay;

fa Ianao, ry Iaveh, dia Ianao irery no mampitoetra ahy tsy amin’ahiahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help