1 Nataon’i Davida.
I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy;
ka iza no hatahorako?
I Iaveh no mandan’ny aiko
ka zovy no hangovitako?
2Raha nandroso ny ratsy fanahy hamely ahy,
ka hihinana ny nofoko;
raha nandroso ny rafy lahiko amam-pahavaloko;
dia izy ireo ihany no nangozohozo, ka lavo.
3Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko,
tsy hatahotra ny foko;
na dia rafitra aza ny ady mamely ahy,
dia hatoky ihany aho.
4Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh
sady iriko fatratra:
dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho,
amin’ny andro rehetra iainako,
mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh,
sy hibanjina ny fitoerany masina.
5Fa hoalofany ao amin’ny fonenany aho
amin’ny andron’ny fahoriana;
hanafina ahy amin’ny fiafenana ao an-dainy Izy,
hampitoetra ahy eo ambony vatolampy Izy.
6Amin’izany ny lohako hisandratra ambonin’ny fahavalo,
izay manodidina ahy.
Ao amin’ny tabernaklany aho hanatitra sorom-pisaorana.
Hihira sy hanao hiram-piderana an’i Iaveh aho.
7Ry Iaveh ô, henoy ny feoko fa miantso Anao aho,
mamindrà fo amiko, ekeo ny hatako.
8Hoy ny feoko, milaza ny teny avy aminao: «Tadiavinareo ny Tavako»;
mitady ny Tavanao aho, ry Iaveh.
9Aza afeninao amiko ny Tavanao;
aza roahina an-katezerana ny mpanomponao;
Ianao no famonjena ahy, ka aza mahafoy ahy;
aza ilaozanao aho, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
10Fa ny ray aman-dreniko efa nahafoy ahy;
fa i Iaveh kosa handray ahy.
11Tompo ô, ampianaro ny lalanao aho;
tariho amin’ny lalana marina aho;
noho ny amin’ireo mitsikilo ahy.
12Aza manolotra ahy amin’ny haromotan’ireo mpanohitra ahy;
fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kiampanga ahy;
olona tsy mihevitra afa-tsy ny fanaovana an-keriny.
13Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon’i Iaveh,
any amin’ny tanin’ny velona!...
14Manantenà an’i Iaveh!
Matokia ka herezo ny fonao!
Manantenà an’i Iaveh!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.