Ohabolana 3 - Malagasy Catholic Bible

Fomba hahazoana ny Fahendrena

1Anaka, aza manadino ny fanoroako,

ary tanonao am-ponao ny didiko.

2Fa izany no hahazoanao andro lava

aman-taona hiainana sy hiadanana.

3Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana,

fa ataovy fehivozona izany ary sokiro ao amin’ny latabatry ny fonao.

4Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina ianao,

eo imason’Andriamanitra sy ny olombelona.

5Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra

fa aza miankina amin’izay sainao ihany.

6Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra,

dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.

7Aza manao anao ho hendry eo imasonao,

fa matahora an’i Iaveh ary mialà amin’ny ratsy.

8Fahasalamana ho an’ny vatanao izany,

ary famelombelomana ho an’ny taolanao,

9Manomeza voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanananao,

sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra.

10Dia ho feno hipokipoka ny fitoeram-bokatrao,

ary hihoatra ny fandomana azy ny divainao vaovao.

11Anaka, aza manamavo ny fananaran’i Iaveh,

ary aza mankahala ny famaizana ataony.

12Fa izay tian’i Iaveh no faiziny,

toy ny ataon’ny ray amin’ny zanaka malalany.

Hafalian’ny olon-kendry

13Sambatra ny olona nahita ny fahendrena,

sy izay olona nahazo ny fahalalana.

14Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy;

aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio.

15Sarobidy noho ny voahangy izy,

ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra.

16Andro lava iainana no eo an-tanany ankavanana,

harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia.

17Lala-mahafinaritra ny lalany,

fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra.

18Hazon’aina izy ho an’izay mambabo azy,

ary sambatra izay mifikitra aminy.

19Ny fahendrena no nanorenan’i Iaveh ny tany,

ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.

20Fahaizany no nivakian’ny hantsana,

sy ampitetevan’ny rahona ny ando.

21Anaka, aoka tsy hiala eo imasonao

fa tano ny fahendrena amam-pisainana;

22fa aina ho an’ny fanahinao izany;

ary haingo ho an’ny vozonao.

23Dia hizo-dalana aman-toky ianao;

ary tsy ho tafintohina ny tongotrao.

24Mandry ianao tsy hanan-tahotra

tafandry indray ho mamy tori-maso.

25Tsy hisy hatahorana na ny fampatahorana tonga tampoka,

na ny famelezana avy amin’ny ratsy fanahy.

26Satria i Iaveh no ho tokinao;

ary hiaro ny tongotrao amin’ny fandrika rehetra izy.

27Aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany,

raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.

28Aza manao amin’ny namanao hoe: «Mandehana ka miverena;

rahampitso aho manome», raha azonao atao ny manome eo noho eo.

29Aza misaina hanisy ratsy ny namanao,

rehefa mitoetra mibonaika eo anilanao izy.

30Aza mifanditra foana aman’olona,

raha tsy nahavita ratsy taminao izy.

31Aza mialona izay olona mpanao an-keriny,

na mifidy izay lalana hombàny kely akory;

32satria halan’i Iaveh ny olon-dratsy fanahy

fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra.

33Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy;

fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano.

34Mananihany izay mpananihany Izy;

ary manome fahasoavana izay manetry tena.

35Anjaran’ny hendry ny voninahitra;

fa ny adala kosa, fahafaham-baraka no anjarany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help