1Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
3Aza manao toy ny ataon’ny any amin’ny tany Ejipta izay nonenanareo, ary aza manao toy ny ataon’ny any amin’ny tany Kanaana, izay hitondrako anareo; aza manaraka ny lalàn’ireny ianareo.
4Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny lalàko no hotandremanareo, ka harahinareo izany, fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
5Tandremo ny lalàna aman-pitsipiko, fa ny olona manaraka izany, no ho velona amin’izany. Izaho no Iaveh.
6Aza misy manatom-behivavy, havany akaiky, mba hanokatra ny fitanjahany. Izaho no Iaveh.
7Aza manokatra ny fitanjahan-drainao, na ny fitanjahan-dreninao, fa reninao izy, ka aza manokatra ny fitanjahany.
8Aza manokatra ny fitanjahan-drenikelinao, fa fitanjahan-drainao izany.
9Aza manokatra ny fitanjahan’ny anabavinao, zana-drainao na zana-dreninao, teraka tao an-trano na teraka tany ivelany; aza manokatra ny fitanjahany.
10Aza manokatra ny fitanjahan’ny zanaka vavin’ny zanakao lahy na ny zanaka vavin’ny zanakao vavy, fa fitanjahanao izany.
11Aza manokatra ny fitanjahan’ny zanaka vavin’ny vadin-drainao natera-drainao, fa anabavinao izy.
12Aza manokatra ny fitanjahan’ny anabavin-drainao, fa nofon-drainao izany.
13Aza manokatra ny fitanjahan’ny rahavavin-dreninao, fa nofon-dreninao izany.
14Aza manokatra ny fitanjahan’ny rahalahin-drainao amin’ny fakàna ny vadiny, fa anabavin-drainao izy.
15Aza manokatra ny fitanjahan’ny vinanto vavinao, fa vadin-janakao izy. Aza manokatra ny fitanjahany.
16Aza manokatra ny fitanjahan’ny vadin-drahalahinao, fa fitanjahan’ny rahalahinao izany.
17Aza manokatra ny fitanjahan’ny vehivavy aman-janany vavy, aza maka ny zanaka vavin’ny zanany lahy, na ny zanaka vavin’ny zanany vavy, mba hanokatra ny fitanjahany, fa mpihavana akaiky izy, ka mahameloka.
18Aza maka ny rahavavin’ny vadinao ho rafiny, amin’ny fanokafana ny fitanjahany sy ny an’ny vadinao izay mbola velona.
19Aza manatom-behivavy mandritra ny fahalotoam-padim-bolany mba hanokatra ny fitanjahany.
20Aza mikambana amin’ny vadin’ny namanao, handoto tena aminy.
21Aza misy omenao hatolotra hodorana hankalazana an’i Môlôka ny zanakao; aza mametaveta ny Anaran’ny Andriamanitrao. Izaho no Iaveh.
22Aza mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, fa fahavetavetana izany.
23Aza mandry amin’ny biby handoto tena aminy. Aoka ny vehivavy tsy hijanona eo anoloan’ny biby handoto tena aminy, fa zava-mahamenatra izany.
24Aza mandoto tena amin’ireo zavatra ireo, na dia iray aza, fa tamin’ireo no nandoto tena ny firenena horoahiko eo anoloanareo.
25Voaloto ny tany, ka hovaliako ny helony, ary haloan’ny tany ny mponina eo aminy.
26Fa ianareo kosa hitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, ka tsy hanao amin’ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza, na ianareo tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo afovoanareo.
27Fa ireo fahavetavetana rehetra ireo, no nataon’ny olon’izany tany izany, izay nonina tao talohanareo, ka izany no nahaloto ny tany.
28Ary ianareo tsy mba haloan’ny tany amin’ny fandotoana azy, toy ny nandoavany an’ireo firenena izay tao talohanareo;
29satria hofongorana amin’ny fireneny izay rehetra manao ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza.
30Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin’ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin’izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.