Joely 4 - Malagasy Catholic Bible

2. Fitsarana ny vahoaka

1Fa amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany,

izay hampodiako ireo lasan-ko babo avy amin’i Jodà sy i Jerosalema,

2dia indro fa hovoriko ny firenena rehetra,

ka hoentiko midina ho eo amin’ny lohasahan’i Jôsafata;

ary eo no hifandaharako amin’izy ireo,

noho ny amin’i Israely vahoakako sy lovako,

izay naeliny tany amin’ny firenena,

sy noho ny amin’ny taniko izay nozarazarainy.

3Satria nanaovany loka ny vahoakako,

zaza lahy no nataony takalon’ny vehivavy janga,

ary zaza vavy no namidiny divay, ka nisotro izy ireo.

Fitarainana amin’ny ataon’ny Fenisianina sy ny Filistinina(Jereo Am 1,6-10; Ezek 27,13)

4Ny aminareo koa dia mifaninona Izaho sy ianareo, ry Tira sy Sidona,

mbaminareo faritany rehetra any Filistia?

Mitady ny hamaly Ahy va ianareo?

Raha mba mihaika Ahy ianareo,

dia vetivety foana tsy ampy toy inona no hanatsingerenako

eo an-dohanareo ny fihaikanareo;

5fa ianareo no naka ny volafotsy amam-bolamenako,

ianareo no nitondra ho any an-tempolinareo

ny firavako sarobidy indrindra;

6ianareo no nivarotra tamin’ireo zanak’i Javàna

ny zanaka lahin’i Jodà sy ny zanaka lahin’i Jerosalema,

mba hitondrana azy lavitra ny taniny.

7Fa indro Aho kosa efa hampitsangana azy

any amin’ny tany nivarotanareo azy,

sy hampitsingerina ny fihaikanareo ho eo an-dohanareo.

8Hamidiko ny zanaka lahy aman-janaka vavinareo

ho eo an-tanan’ny zanak’i Jodà,

ka hamidiny amin’ny Sabeanina

amin’ny firenena lavitra any;

fa i Iaveh efa niteny.

Fiantsoana ny vahoaka(Jereo Zak 14; Ezek 38–39)

9Miantsoa izao any amin’ny firenena:

Miomàna hiady ianareo!

Asaovy mitsangana ny lehilahy mahery!

Aoka hanatona, aoka hiakatra avokoa,

ny lehilahy mpiady rehetra!

10Manaova sabatra amin’ny angadinareo;

sy lefona amin’ny antsinareo;

aoka ny osa hilaza hoe: olo-mahery fo aho!

11Faingàna ianareo, tongava avokoa

ianareo firenena manodidina rehetra, ka mivoria.

Iaveh ô, ento midina ao ny maherinao!

12Aoka hitsangana ny firenena, ary aoka hitraka izy

ho eny amin’ny lohasahan’i Jôsafata!

Fa any no hipetrahako hitsara

ny firenena rehetra manodidina.

13Raiso ny antsy fijinjàna fa masaka ny vary;

avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka,

mihoatra ny barìka;

satria be ny haratsian’izy ireo.

14Vahoaka be, vahoaka be,

ao amin’ny lohasahan’ny fanapahana!

Ny andron’i Iaveh

15Ny masoandro amam-bolana, nihamaizina,

afaka amin’ny kintana ny famirapiratany.

16Hierona avy ao Siôna i Iaveh,

ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema Izy;

hihorohoro ny tany aman-danitra.

Nefa i Iaveh no ho fialofana ho an’ny vahoakany,

ho fiarovana ho an’ny zanak’i Israely.

17Dia ho fantatrareo fa Iaveh Andriamanitrareo Aho,

izay monina ao Siôna, tendrombohitro masina;

ho fitoerana masina i Jerosalema,

ka tsy hodiavin’ny hafa firenena intsony.

Fiadanan’i Israely tafarina

18Amin’izany andro izany dia hitete

avy amin’ny tendrombohitra rehetra

ny divay vaovao;

ny havoana handriaka ronono;

ary ny lohasahan-driaka any Jodà, hitsororohan’ny rano avokoa.

Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’i Iaveh,

ka handena ny lohasahan’ny Akasià.

19I Ejipta kosa, hanjary tany lao,

i Edôma ho efitra faharavana,

noho ny fahasahiana namelezany ny taranak’i Jodà,

fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin’ny taniny izy ireo.

20Ary i Jodà, honenana mandrakizay,

ary i Jerosalema koa mandritra ny taona mifandimby.

21Fa hosasako ny ran’izy ireo, izay mbola tsy voasasako.

Dia honina ao Siôna i Iaveh.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help