Jôba 24 - Malagasy Catholic Bible

1Nahoana no tsy misy fotoana natokan’ny Tsitoha,

ary ireo manompo Azy tsy mba mahita ny androny?

2Misy olona mamindra orim-bato,

miandry biby fiompy nangalariny,

3mandroaka ny ampondran’ny kamboty,

mitana ny ombin’ny mananotena ho tsatòka,

4manosika ny mahantra hivily lalana,

ka voatery hiery avokoa ny madinika amin’ny tany.

5Mova tsy ny ampondra dia any an’efitra izy:

dia nivoaka izy hanao ny asany,

mitady ny rembiny hatramin’ny vao maraina.

Ny tany efitra no ahazoany hanina ho an-janany;

6ny salohim-bary eny an-tsaha no tsongoiny,

ary ao an-tanimboaloboky ny mpampahory azy izy no mifetsy.

7Mihanjaka izy ireo, ary mandritra ny alina, noho ny fitafiana tsy misy,

mandry tsy amim-pirakofana aro hatsiaka.

8Kotsan’ny ranonorana eny an-tendrombohitra,

mitampisaka eny amin’ny vatolampy fa tsy manan-kialofana.

9Misarika ny kamboty eo am-pinonoana,

maka tsatòka amin’ny olona ory;

10ka dia miboridana tsy manan-kitafy ireo,

noana mivesatra ny amboaram-barin’ny tompo;

11mamia ny diloilo ao an-trano fitahirizana divay;

mangetaheta eo am-pamiazana voaloboka.

12Misondrotra avy eny an-tanàna eny ny feon’ny olona mitoloko,

velon-taraina ny ain’ny voaratra,

nefa tsy ahoan’Andriamanitra izany heloka bevava izany!

13Misy mitoetra ao amin’ny fahavalon’ny fahazavana,

tsy mahalala ny lalany akory,

na maharitra mizotra amin’ny sakeli-dalany.

14Ny mpamono olona mifoha vao mangiran-dratsy,

mamono ny ory aman-tsy manana,

misodisody alina toa jiolahy.

15Ny mason’ny mpaka vadin’olona mikendry izay iavian’ny maizimaizina;

tsy misy mahita any, hoy izy,

dia manao very maso izy.

16Ny sasany manamy trano amin’ny alina,

miery nony antoandro;

tsy mahalala ny fahazavana izy.

17Toy ny aloky ny fahafatesana ho azy ireo ny maraina,

satria ny alina mahatahotra no efa mahazatra azy.

18Ah, mitsinkafona ambonin’ny rano,

toy ny zava-maivana, ny tsy mivavaka,

tsy manana afa-tsy anjara voaozona izy eto an-tany,

tsy mba manitsy lalana mankany amin’ny tanimboaloboka izy.

19Toy ny ifohan’ny maina sy ny hafanana ny ranom-panala,

no iteleman’ny Seoly ny mpanota.

20Ah, ny kibo nitoerany manadino azy,

ny olitra mihinana azy amam-pankafizana,

ny olona tsy mahatsiaro azy intsony;

tapaka toy ny hazo ny haratsiana.

21Nandroba ny momba tsy niteraka izy,

ary tsy nanisy soa ny mananotena.

22Ny olo-mahery kosa anefa hozongozonin’ny herin’Andriamanitra;

mitsangana izy, dia tsy manampò izay ho velona intsony ireo;

23ataony mahatoky tsy manana ahiahy ihany ireo,

fa ataony andry maso eny amin’izay alehany.

24Mba misandratra izy, nefa vetivety, dia tsy eo intsony indray;

mianjera sy jinjaina toy ny olon-drehetra,

tangosana toy ny salohim-bary.

25Raha tsy izany no izy, dia iza kosa no hamaky lainga ahy?

Iza no hampiseho ny teniko ho tsinontsinona?»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help