1Tamin’izay dia hoy i Hôlôferina taminy: «Matokia ianao, ary foany ny tahotra ao am-ponao, fa tsy mba fanaoko na oviana na oviana, ny manisy ratsy an’izay rehetra manaiky ny hanompo an’i Nabokodonozora mpanjaka.
2Raha tsy naneso ahy ny firenenao, dia tsy nanainga ny lefoko hamely azy aho.
3Ary ankehitriny lazao ahy kely, izay antony nialanao tamin’izy ireo, sy nanapahanao hevitra hankatỳ aminay.»
4Dia hoy i Jodita namaly: «Raiso ny tenin’ny ankizivavinao, fa raha manaraka ny tenin’ny ankizivavinao ianao, dia hotanterahin’ny Tompo an-tsakany sy an-davany ny hevitra voakasany aminao.
5Marina izany toy ny mahavelona an’i Nabokodonozora mpanjakan’ny tany sy ny maha-velona ny fahefany, dia ilay fahefany napetraka aminao hamaizana izay mivilivily, satria tsy ny olombelona ihany no entinao hanompo azy, fa manoa azy hatramin’ny biby eny an-tsaha aza.
6Koa mandeha lazao eran’ny firenena rehetra tokoa ny fahendren’ny sainao, fantatry ny olona rehetra fa ianao no hany tsara sy mahefa ao amin’ny fanjakany rehetra, ary deraina amin’ny faritany rehetra ny fitondranao.
7Fantatra koa ny zavatra nolazain’i Akiora ary tsy miafina amin’ny olona ny nasainao nanaovana azy.
8Marina fa efa voatsiratsira loatra tamin’ny fahotan’ny vahoakany ny Andriamanitray, ka efa nasainy nilazan’ny mpaminany izy, fa efa hatolony amin’ny fahavalony noho ny fivadihany.
9Ary satria fantatry ny zanak’i Israely fa efa naniratsira ny Andriamaniny tokoa izy ireo, dia mangovitry ny tahotra anao izy izao.
10Fanampin’izany, ny mosary mamoritra azy, ny fitahirizan-drano efa tankina, ka dia naman’ny maty sahady izy.
11Efa nanapa-kevitra aza izy fa hamono ny biby fiompiny ary hisotro ny rany.
12Hatramin’ny zavatra voatokana ho an’ny Tompo Andriamaniny aza, izay noraran’Andriamanitra tsy hokasihiny, toy ny vary, ny divay sy ny diloilo avy amin’ny ampahafolom-bokatra sy santatra, dia efa nokasainy hoentin-kamelon-tena ka sahy hihinana ny zavatra voarara tsy hokasihiny tanana aza izy. Raha efa izany no ataony dia tsy isalasalana fa hatolotra ho amin’ny faharavana mihitsy izy.
13Izany no hitako, izaho ankizivavinao, ka nandositra lavitra azy ireo aho, ary nirahin’ny Tompo hilaza izany aminao.
14Fa izaho ankizivavinao, dia manompo an’Andriamanitra, na izao aho atỳ aminao izao aza, ary dia hivoaka ny toby hivavaka amin’Andriamanitra ny ankizivavinao.
15Ka hampahafantariny ahy ny fotoana hamaizany azy ireo noho ny fahotany, dia hiverina hilaza izany aminao aho. Amin’izay, hotarihiko hamaky an’i Jodea hatrany Jerosalema ianao, ka hahita ny vahoaka rehetra amin’i Israely toy ny ondry tsy misy mpiandry intsony, tsy hisy na dia alika iray hivovò anao aza.
16Ny fahalalan’Andriamanitra ny ho avy no nanambara izany zavatra izany tamiko,
17ary noho izy tezitra amin’izy ireo, dia nirahiny aho hanambara izany aminao.»
18Nankasitrahin’i Hôlôferina sy ireo mpanompony izany teny rehetra izany. Nigagan’izy ireo ny fahendren’i Jodita, ary nifampilaza izy ireo hoe:
19«Tsy misy vehivavy tahaka an’ity eto ambonin’ny tany, na amin’ny bika, na amin’ny hatsaran-tarehy, na amin’ny fahendrem-pitenenana.»
20Ary hoy i Hôlôferina taminy: «Tsara ny nanirahan’Andriamanitra anao, hialoha ireo vahoaka ireo, hanolotra azy eo an-tananay.
21Ka noho ny hatsaran’ny hevitra aposakao, raha manao izany ho ahy ny Andriamanitrao, dia izy koa no ho Andriamanitro, ary ianao kosa ho be voninahitra ao an-tranon’i Nabokodonozora sady halaza eran’ny tany rehetra ny anaranao.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.