Ohabolana 10 - Malagasy Catholic Bible

2. AMBOARAN’OHABOLAN’I SALÔMÔNANy mpivavaka sy ny ratsy fanahy

1Ohabolan’i Salômôna.

Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy,

fa ny zanaka adala mampahory ny reniny.

2Ny harena azo aman-keloka, tsy mahasoa akory,

fa ny fahamarinana mamonjy amin’ny fahafatesana.

3Tsy avelan’i Iaveh ho mosarena ny marina,

fa toheriny kosa ny fanirian’ny ratsy fanahy.

4Izay malaina amin’ny asany, ho tonga mahantra,

fa ny tanan’ny mazoto kosa, manangon-karena.

5Zanaka hendry izay mamory amin’ny fararano;

fa zaza ahazoan-kenatra kosa, izay matory amin’ny taom-pijinjana.

6Ny lohan’ny marina iaviam-pitahiana,

fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa tototra faharatsiana.

7Ny fahatsiarovana ny marina, dia ankasitrahana azy,

fa ny anaran’ny ratsy fanahy kosa, lo no alehany.

8Izay hendry am-po mandray ny didy;

fa ny adala amin’ny vavany kosa mamantana amin’ny fahaverezana.

9Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky;

fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany.

10Izay mihiringiri-maso, ho fototr’alahelo;

ary izay adala amin’ny vavany kosa mamantana amin’ny fahaverezana.

11Ny vavan’ny marina dia loharanon’aina;

fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa, tototra faharatsiana.

12Ny fankahalana, mihantsy ady;

fa ny fitiavana kosa, manarona ny hadisoana rehetra.

13eo amin’ny molotry ny manan-tsaina, ny fahendrena,

fa tsora-kazo kosa no ho eo amin’ny lamosin’ny tsy ampy saina.

14Tahiry raketin’ny hendry ny fahendrena;

fa loza mananontanona kosa ny vavan’ny adala.

15Tanàna mimanda ho an’ny manana, ny hareny,

fa ny loza mahazo ny tsy manana kosa dia ny fahantrany.

16Ny asan’ny marina dia ho an’ny fiainana;

fa ny fitomboan-karen’ny ratsy fanahy kosa dia ho an’ny fahotana.

17Izay mihaino tsara ny fampianarana dia mandeha amin’ny lalan’aina,

fa izay manadino ny fananarana kosa maniasia.

18Fandainga ny molotr’izay manafina ny fankahalana,

ary adala izay mitati-bolana.

19Ny teny maro tsy ilaozan’ny ota,

fa ny mahatam-bava no olon-kendry.

20Volafotsy voafantina ny lelan’ny marina,

fa tsy misy vidiny kosa, ny fon’ny ratsy fanahy.

21Ny molotry ny marina, mamahana olona betsaka,

fa ny ratsy fanahy kosa, matin’ny tsy fananany fahalalana.

22Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena;

ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.

23Ny manao ratsy no ataon’ny adala ho lalao;

ary toy izany koa ny fahendrena amin’ny olona manan-tsaina.

24Izay atahoran’ny ratsy fanahy, mihatra aminy;

ary izay irin’ny marina kosa omen’Andriamanitra azy.

25Toy ny fihelenan’ny tafio-drivotra no anjavonan’ny ratsy fanahy;

fa fanorenana mandrakizay kosa no nampitoerana ny marina.

26Tahaka ny vinaingitra amin’ny nify sy ny setroka amin’ny maso,

no ataon’ny malaina, amin’izay maniraka azy.

27Ny fahatahorana an’i Iaveh, maha lava andro,

fa ny taonan’ny ratsy fanahy kosa hohafohezina.

28Ny fanantenan’ny marina, dia fifaliana;

fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy kosa ho foana.

29Ny lalan’i Iaveh, manda fiarovana ho an’ny marina,

fa ny fandringanana kosa ho an’izay manao ratsy.

30Ny marina tsy hangozohozo na oviana na oviana;

fa ny ratsy fanahy kosa tsy honina amin’ny tany.

31Ny vavan’ny marina, itsimoham-pahendrena;

fa ny lela mandainga kosa hongotana.

32Ny molotry ny marina mahalala izay mahafinaritra,

fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa, mahalala ny haratsiana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help