1Ary i Nadaba sy i Abiò, zanak’i Aarôna, samy naka ny fanembohany avy dia nanisy afo tao anatiny, sy nametraka zava-manitra teo amboniny, dia nitondra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh, nefa tsy nahazo didy momba izany izy.
2Ka nisy afo nivoaka teo anatrehan’i Iaveh nandevona azy ireo, hany ka maty teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.
3Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Efa voalazan’i Iaveh izany tamin’izy nanao hoe: Hohamasinina Aho ao amin’izay manakaiky Ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Sina i Aarôna.
B. Fibatana ny faty4Ary i Môizy niantso an’i Misaely sy Elisafôna, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Aarôna, nilaza tamin’ireo hoe: «Manatòna ianareo ka ento ny rahalahinareo hanalavitra ny fitoerana masina any ivelan’ny toby.»
5Dia nanatona ireo ka nitondra azy mbola miakanjo ny tonîkany, nankany ivelan’ny toby, araka ny nandidian’i Môizy azy.
D. Fitsipika fisaonan’ny mpisorona6Hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy i Eleazara ary i Itamara: «Aza avelanareo hirakaraka foana ny volon-dohanareo, ary aza triarinareo ny fanamianareo, fandrao dia maty ianareo, ary ho tratry ny hatezeran’i Iaveh ny fiangonana rehetra. Ny rahalahinareo sy ny taranak’i Israely rehetra no aoka hitomany noho izao fandoroana narehitr’i Iaveh izao.
7Fa ianareo kosa aza mivoaka ny varavaran’ny trano lay fihaonana akory, fandrao dia maty ianareo, satria efa mby ao aminareo ny diloilo fanosoran’i Iaveh.» Dia nataon’izy ireo izay nolazain’i Môizy.
E. Fandrarana tsy hisotro divay8Ary i Iaveh niteny tamin’i Aarôna nanao hoe:
9«Aza misotro divay na fisotro mahamamo ianao, sy ny zanakao koa, rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana, mba tsy hahafaty anareo,
10sady hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ny madio sy ny tsy madio,
11ary mba hahaizanareo mampianatra ny zanak’i Israely ny lalàna rehetra nomen’i Iaveh azy ireo, tamin’ny alalan’i Môizy.»
F. Anjaran’ny mpisorona amin’ny fanatitra12Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy tamin’ireo zanak’i Aarôna, roa lahy sisa, i Eleazara sy i Itamara: «Alao ny fanatitra sisa avy amin’ny sorona natao tamin’ny afo ho an’i Iaveh, ka hano tsy misy lalivay, eo akaikin’ny ôtely, fa zava-masina dia masina izany.
13Hano eo amin’ny fitoerana masina izany, fa anjaranao sy anjaran’ireo zanakao, avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, araka ny didy azoko.
14Eo amin’izay toerana madio koa no hihinananao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, fa ireo didiny ireo dia omena ho anjaranao sy anjaran’ny zanakao, avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny zanak’i Israely.
15Hoentin’izy ireo ho fanampin’ny sabora voatokana hodorana amin’ny afo, ny feny avahana sy ny tratrany ahevaheva, mba hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh; dia ho anjaranao sy ny zanakao izany, noho ny lalàna tsy tapaka araka ny didin’i Iaveh.»
G. Fitsipika amin’ny sorona noho ny ota16Ary hoy i Môizy nanadina ny amin’ny osy lahy natao sorona noho ny ota, ka indro efa voadotra izany; ka tezitra tamin’i Eleazara sy i Itamara hany sisa zanaka lahin’i Aarôna izy, sy nanao tamin’izy ireo hoe:
17«Nahoana no tsy nohaninareo, teo amin’ny fitoerana masina, ny sorona noho ny ota? Fa zava-masina dia masina izany, ary nomen’i Iaveh anareo, mba hitondranareo ny otan’ny fiangonana sy hanaovanareo ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh?
18Ka indro izao fa ny ran’ny sorona tsy nentina tao anatin’ny fitoerana masina; ianareo koa, tokony ho nihinana azy, teo amin’ny toerana masina, araka ny nandidiako azy.»
19Fa hoy i Aarôna tamin’i Môizy: «Izy ireo androany dia efa nanatitra ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, teo anatrehan’i Iaveh; fa izaho kosa, noho ny nanjò ahy, moa ho nankasitrahina teo anatrehan’i Iaveh aho, raha nihinana ny sorona noho ny ota androany?»
20Nony nandre izany teny izany i Môizy dia nankasitraka izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.