1Loza ho an’izay mamoaka fitsarana tsy marina,
sy ho an’ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny.
2Mampanalavitra ny tribonaly ny osa
sy manendaka ny rariny amin’izay ory eo amin’ny vahoakako;
ny mpitondratena ataony firemby;
ary ny kamboty fambabony!
3Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana
sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra?
Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo,
ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
4Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo,
na lavo eo amin’ny maty.
Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany,
ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Famelezana mpanjakan’i Asora5Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako!
fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
6Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana,
omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy,
dia handroba sy hamabo,
ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.
7Kanjo tsy izany no heviny,
ary tsy izany no heverin’ny fony;
fa ny handringana no hany kendreny,
sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
8Hoy izy: «Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?
9Tsy toa an’i Karkemisa va no nahazo an’i Kalnô,
tsy toa an’i Arfada va no nahazo an’i Hamata?
ary tsy toa an’i Damasa va no nahazo an’i Samaria?
10Toy ny nanakaran’ny tanako
an’ireo fanjakan’ny andriamanitra tsy mahomby,
izay mahery noho ny an’i Jerosalema sy i Samaria ny sampiny,
toy ny efa nataoko tamin’i Samaria sy ireo andriamaniny,
11moa tsy toy izany koa va no hataoko amin’i Jerosalema
sy ny sary sampiny?»
12Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo
ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema,
dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria,
sy ny reharehan’ny masony miandranandrana.
13Satria izy nanao hoe:
«Ny nahefàko izany dia noho ny herin’ny tanako,
sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho!
Ny faritanin’ny firenena, nafindrako,
ny hareny nobaboiko,
ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany
dia nanongana azy Aho toy ny lehilahy mahery fo.
14Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako
ny haren’ny firenena,
ary toy ny fanangona atody nilaozana
no namoriako ny tany rehetra,
ka tsy nisy nikopa elatra,
na nisoka-bava na mba nikiaka akory!»
15Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky,
miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa?
Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy;
sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!
16Noho izany, ny Tompo, Iavehn’ny tafika,
haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka;
ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra,
toy ny afo amin’ny hain-trano.
17Ny fahazavan’i Israely no ho afo;
ary ny Masiny no ho lelafo,
handroso sy handevona,
indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny.
18Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa
hofoanany hatramin’ny fanahy ka hatramin’ny vatana;
hanahaka ny marary matin’ny singotr’àty izany.
19Ho azo isaina ny hazo sisa any an’alany;
zaza iray dia hahalatsaka an-tsoratra azy.
Ny anarana hoe Sear-Iasob(Jereo Iz 7,3)20Ary izao no hiseho amin’izany andro izany:
Ny sisa amin’i Israely ary izay afaka tsy lany amin’ny taranak’i Jakôba,
dia hitsahatra tsy hiankina amin’izay namely azy intsony,
fa hiankina amin’i Iaveh izy ireo
amin’ny masin’i Israely, tsy hivadika aminy.
Filazana mialoha, ny faharavana21Misy sisa hiverina, dia sisa amin’i Jakôba,
ho amin’ny Andriamanitra mahery.
22Satria na dia hoatra ny fasika amin’ny ranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely,
dia izay sisa eo ihany no hiverina;
ka efa raikitra ny fandringanana
hampisafoaka ny fahamarinana,
23fa ny fandringanana efa naraikiny,
dia hotanterahin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, amin’ny tany rehetra.
Tenin’Andriamanitra(Jereo Iz 14,24-27; 30,27-33; 31,4-9; 37,22-29)24Izany no hilazan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika hoe:
Aza matahotra na inona na inona avy amin’i Asora,
ry vahoakako monina any Siôna,
raha mamely anao amin’ny tsora-kazo izy,
ka manainga ny tehina aminao,
toa an’i Ejipta taloha.
25Fa rehefa afaka kely foana,
dia hitsahatra ny hatezerako,
ary hifotitra aminy, handringana azy, ny fahavinirako.
26Hanainga kotopia hamelezana azy i Iavehn’ny tafika,
toy ny namelezany an’i Madiàna, teo amin’ny vatolampin’i Oreba,
ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina;
ary hoaingany izany toy ny taloha tany Ejipta.
27Ka izao no hiseho amin’izany andro izany:
Ny entan’i Asora hoesorina eo an-tsorokao;
ary ny jiogany eo amin’ny vozonao,
ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga.
Ilay mpanafika(Jereo Mik 1,10-15)28Iny izy tonga ao Ajata, efa mamaky an’i Magrôna,
mametraka ny entany ao Makmasy.
29Nihoatra ny hadilalana izy ireo,
nitoby tao Gabà tamin’ny alina;
raiki-tahotra mafy i Ramà,
vaky nandositra i Gabaan’i Saola.
30Manaova antso fitarainana, ry zanaka vavin’i Galima!
mampandria sofina, ry Laisa! Indrisy, ry Anatôta mahantra!
31Miparitaka i Medmenà,
lasa nandositra ny mponina ao Gabima.
32Indray andro sisa, dia any Nobe izy;
hanainga tanana hamely ny tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna izy,
hamely ny havoan’i Jerosalema!...
33Indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika,
mikapa ny sampan-kazo, ataony mikotrokotroka;
ny avo indrindra, voakapa;
ny lasa ambony indrindra voazera amin’ny tany.
34Ny ala milobolobo voakapa amin’ny vy;
ary lavo i Libàna alamaky ny Mahefa anankiray.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.