1Tantara 7 - Malagasy Catholic Bible

7. IREO FOKO TANY AVARATRAI Isakara(Jereo Jen 46,13; Fanis 26,23-24; Mpits 10,1)

1Zanaka lahin’i Isakara: i Tolà, i Foà, i Josoba ary i Simerôna: efatra izy.

2Zanaka lahin’i Tolà: i Ozia, i Rafaia, i Jeriela, i Jemaia, i Jebsema, ary i Samoela, samy lohan’ny fokom-pianakaviany izay avy amin’i Tolà, lehilahy mahery, voasoratra araka ny taranany tamin’i andron’i Davida, 22.600 no isany.

3Zanaka lahin’i Ozia: i Izrahia. Zanaka lahin’i Izrahia: i Mikaela, i Obadià, i Joela, ary i Jesià, filohany dimy izy rehetra.

4Nana-miaramila momba azy, efa hary fitaovana hiantafika izy ireo, araka ny fianakaviana fiaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, nisy 36.000 ireny, fa maro vady aman-janaka izy.

5Ny rahalahin’izy ireo araka ny fianakaviana ao amin’i Isakara rehetra, lehilahy mahery, dia nisy 87.000 ny tontaliny, voasoratra amin’ny tetiaram-pirazanana.

I Benjamina(Jereo 1Tan 8,1s; Jen 46,21; Fanis 26,38)

6Zanaka lahin’i Benjamina: i Bela, i Bekora, ary i Jadihela, telo izy.

7Zanaka lahin’i Bela: i Esbôna, i Ozia, i Oziela, i Jerimota ary i Oraia; dimy izy lohan’ny fokom-pianakaviana, lehilahy mahery, 22.034 no isany, voasoratra amin’ny tetiarana.

8Zanakalahin’i Bekora: i Zamirà, i Jôasa, i Eliezera, i Eliônaia, i Amri, i Jerimota, i Abià, i Anatôta, ary i Almata. Zanaka lahin’i Bekora avokoa izy rehetra ireo,

9voasoratra amin’ny tetiaram-pirazanana araka ny taranany avy, ho lohan’ny fokom-pianakaviany, lehilahy mahery, 20.200 no isany.

10Zanaka lahin’i Jadihela: i Balàna. Zanaka lahin’i Balàna: i Jehosy, i Benjamina, i Aôda, i Kananà, i Zetàna, i Tarsisa, ary i Abisahera:

11Zanaka lahin’i Jadihela avokoa izy rehetra ireo, samy lohan’ny fokom-pianakaviany, lehilahy mahery, 17.200 ny isany, mahazo mitondra fiadiana hiantafika.

12Zanaka lahin’i Hira: i Sefama sy i Hafamà. Zanaka lahin’i Ahera: i Hasima.

I Neftalì(Jen 46,24; Fanis 26,48-50)

13Zanaka lahin’i Neftalì: i Jasiela, i Gonì, i Jesera ary i Seloma, zanaka lahin’i Balà.

I Manase

14Zanaka lahin’i Manase: i Esriela. Ilay Sirianina vaditsindranony, niteraka an’i Makira, rain’i Galaada.

15I Makira naka vady tamin’ny avy amin’i Hapfima sy i Safàna: Maakà no anaran’ny anabaviny. I Salfaada no zanany lahy aivo, ary nanan-janaka vavy i Salfaada.

16Nitera-dahy i Maakà, vadin’i Makira, ka nataony hoe Faresa no anarany ary i Saresa no anaran’ny rahalahiny: i Olama sy i Resena no zanany lahy;

17zanaka lahin’i Olama: i Badàna. Ireo no zanaka lahin’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase.

18Ary i Amoleketa anabaviny, niteraka an’i Iskôda, i Abiezera, ary i Moholà.

19Ny zanaka lahin’i Semidà dia i Ahina, i Sekema, i Lesia ary i Aniama.

I Efraima(Jereo Fanis 26,35)

20Zanaka lahin’i Efraima: i Sotalà, i Bareda zanany, i Tahata zanany, i Eladà zanany, i Tahata zanany,

21i Zobada zanany, i Sotalà zanany, ary i Ezera sy i Elada izay novonoin’ny lehilahy tao Geta, izay tera-tany, fa nidina hangalatra ny biby fiompiny.

22Nisaonan’i Efraima rainy ela izy ireo, ka tonga ny rahalahiny hampionona azy.

23Nandeha tamin’ny vadiny izy, dia nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy; dia nomeny anarana hoe Berià, satria tra-pahoriana izy ireo tao an-tranony.

24Ny zanany vavy kosa dia i Sarà, izay nanorina an’i Betôrôna ambany sy i Betôrôna ambony ary i Ozena-Sarà.

25I Rafà zanany sy i Resefa, i Tale zanany, i Taàna zanany,

26i Laadàna zanany, i Amioda zanany, i Elisamà zanany,

27i Nona zanany, i Jôsoe zanany.

28Ary ny taniny amam-ponenany, dia i Betela mbamin’ny tanàna momba azy, any atsinanana, i Noràna, any andrefana i Gezera mbamin’ny tanàna momba azy, hatrany Azà mbamin’ny tanàna momba azy.

29Eo an-tanan’ny taranak’i Manase koa i Betsàda sy ny tanàna momba azy i Tanàka sy ny tanàna momba azy, i Magedao sy ny tanàna momba, azy, i Dôra sy ny tanàna momba azy. Tamin’ireo tanàna ireo no nonenan’ny taranak’i Josefa, zanak’i Israely.

I Asera(Jereo Jen 46,17; Fanis 26,44)

30Zanaka lahin’i Asera: i Jemnà, i Jesoà, i Jesoì, i Barià ary i Sarà anabavin’ireo.

31Zanaka lahin’i Barià: i Hebera sy i Melkiela; izy no Barsaita.

32I Hebera niteraka an’i Jeflata, i Somera, i Hôtama, ary i Soà anabavin’ireo.

33Zanaka lahin’i Jeflata: i Foseka, i Kamaala ary i Asota: ireo no zanaka lahin’i Jeflata.

34Zanaka lahin’i Somera: i Ahia, i Rôagà, i Habà ary i Arama.

35Zanaka lahin’i Helema rahalahiny: i Sofa, i Jemnà, i Salesa ary i Amala.

36Zanaka lahin’i Sofa: i Soà, i Harnafera, i Soala, i Berì,

37i Jamrà, i Bosora, i Hôda, i Samnà, i Salosà, i Jetrama ary i Berà.

38Zanaka lahin’i Jetera: i Jefone, i Fasfà ary i Arà.

39Zanaka lahin’i Olà: i Aerà, i Haniela, ary i Resià.

40Zanak’i Asera avokoa ireo, lohan’ny fokom-pianakaviana, olom-boafantina sy mahery, lehiben’ny loham-pireneny, 26.000 no isany voasoratra, samy mahazo mitondra fiadiana hiantafika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help