Eksaody 7 - Malagasy Catholic Bible

1Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro ianao efa nataoko ho andriamanitra eo imason’i Faraôna, ary i Aarôna rahalahinao no ho mpaminaninao.

2Ianao moa hilaza izay rehetra hiandidiako anao; i Aarôna rahalahinao kosa, hiteny amin’i Faraôna mba handefany ny zanak’i Israely hiala amin’ny taniny.

3Ary Izaho hanamafy ny fon’i Faraôna, sy hampitombo ny famantarako amam-pahagagako amin’ny tany Ejipta.

4Tsy hihaino anareo i Faraôna, ary haninjitra ny tanako amin’i Ejipta Aho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin’ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak’i Israely.

5Ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no Iaveh, rehefa haninjitra ny tanako amin’i Ejipta Aho sy hamoaka ny zanak’i Israely avy eo afovoan’izy ireo.»

6Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy; izany no nataony.

7Efa valopolo taona i Môizy ary telo amby valopolo taona i Aarôna, tamin’izy ireo niteny tamin’i Faraôna.

3 - FERY FOLON’I EJIPTA - NY PAKA (Jereo Sal 78; 105; Fah 11,14-20–16,1-18)Ny tehina nanjary bibilava

8Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna:

9«Raha avy izay hilazan’i Faraôna aminareo hoe: Manaova fahagagana, dia lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ka atsipazo eo anatrehan’i Faraôna, fa hanjary bibilava iny.»

10Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, nataony avokoa izay nandidian’i Iaveh azy ireo. Natsipin’i Aarôna ny tehiny teo anoloan’i Faraôna sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava.

11Fa mba nantsoin’i Faraôna kosa ny olon-kendriny sy ny mpimasiny ary ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak’izany koa, tamin’ny fankatoavany.

12Samy nanipy ny tehiny avy izy, dia mba samy nanjary bibilava koa. Saingy natelin’ny tehin’i Aarôna avokoa ny tehin’izy ireo.

13Ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh rahateo.

1. Ny rano nanjary ra

14Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Efa nihamafy ny fon’i Faraôna ka mandà tsy handefa ny vahoaka.

15Rahampitso maraina mankanesa any amin’i Faraôna ianao, fa hivoaka ho any amoron-drano izy, ka dia eo amoron’ny ony ianao miandry azy. Hoentinao eo an-tanana ilay tehina voaova ho bibilava,

16ary ianao hilaza aminy hoe: ‹Avelao handeha ny vahoakako, hanompo Ahy any an’efitra. Ary indro fa mandrak’izao dia tsy nety nihaino ianao.

17Ka izao no lazain’i Iaveh: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Iaveh: hotapahiko amin’ity tehina an-tanako ity ny rano eo amin’ny ony, dia ho voaova ho ra;

18ka ny hazandrano ao anaty ony ho faty, ny ony hanjary maimbo; ary ny Ejiptianina harikoriko tsy te hisotro ny rano eo an’ony.› »

19Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Lazao amin’i Aarôna hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tananao, dia amin’ny reniranony, amin’ny lakan-dranony, amin’ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary ra ireny ary hisy ra amin’ny tany Ejipta manontolo, na amin’ny fasian-drano hazo, na amin’ny fasian-drano vato.»

20Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy. Naingaingan’i Aarôna ny tehina, nokapohiny teo anatrehan’i Faraôna sy ny mpanompony ny rano tamin’ny ony, ka nanjary ra avokoa ny rano rehetra tamin’ny ony;

21Maty ny hazandrano tamin’ny ony, nanjary maimbo ny ony, tsy azon’i Ejiptianina nosotroina ny rano tamin’ny ony ary heni-dra ny tany Ejipta manontolo.

22Nahavita torak’izany tamin’ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin’i Ejipta, ka nihamafy ny fon’i Faraôna, fa tsy nihaino an’i Môizy sy i Aarôna izy, araka ny voalazan’i Iaveh rahateo.

23Dia nody i Faraôna ka nony tonga tany an-tranony, tsy nandinika izany akory tao am-pony.

24Ary ny Ejiptianina rehetra nihady lavaka teny akaikin’ny ony hahitany rano azo nosotroina, fa tsy azony nosotroina ny rano tamin’ny ony.

25Lasa ny andro fito taorian’ny namelezan’i Iaveh ny ony.

2. Ny sahona

26Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mankanesa ao amin’i Faraôna, lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompo Ahy.

27Fa raha mandà tsy handefa azy ianao, hataoko hidiran-doza, avy amin’ny sahona ny taninao manontolo.»

28«Ho hipoka sahona ny ony, ary hiakatra ireny ka hiditra ao an-tranonao, ao an’efitrano fandrianao, eny ambony farafaranao, ao an-tranon’ny mpanomponao, eny amin’ny vahoakanao, amin’ny lafaoronao, ary amin’ny fanditian-dafarinanao.

29Hiakaran’ny sahona avokoa ianao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help