2Tesalônisianina 2 - Malagasy Catholic Bible

Ny fiavian’ny Tompo sy ny hialoha azy

1Ny amin’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, dia mihanta aminareo izahay, ry kristianina havana,

2mba tsy hety hohozongozonin-tsaina mora foana ianareo, na ho azo ampitahorina foana, na amin’ny fanahy izany, na amin’ny teny, na amin’ny taratasy hamboina ho avy aminay, mova tsy ny efa antomotra iny ny andron’ny Tompo.

3Aza mety hofitahin’olona velively, fa tsy maintsy hitranga aloha ny fivadiham-be, sy hiseho ny olom-pahotana, dia ilay zanaky ny fahaverezana.

4izay mitsangan-ko fahavalo sy manandra-tena ho ambonin’izay rehetra atao hoe Andriamanitra na ivavahana, ary sahy mipetraka ao amin’ny Tempolin’Andriamanitra sy maneho ny tenany ho Andriamanitra aza.

5Tsy tsaroanareo va fa zavatra efa voalazako taminareo izany, fony aho mbola tany aminareo?

6Ary ankehitriny, fantatrareo ny zava-misakana azy tsy hiseho amin’ny fotoan’androny.

7Fa efa miasa sahady ny hevi-miafim-paharatsiana izao, saingy ilay misakana no mbola ao mandra-pihàrany,

8ka dia hiseho amin’izany ilay ratsy, ka holevonin’i Jesoa amin’ny fofon’ain’ny vavany, sy hofoanany amin’ny fisehoan’ny fahatongavany.

9Ary ny fisehoan’ilay ratsy, noho ny asan’i Satana dia homban’ny hery sy famantarana amam-pahagagana sandoka rehetra,

10sady harahiny ny fanangolen-dratsy rehetra an’izay ho very, noho ireo tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana tokony ho nahitany famonjena.

11Hany ka anirahan’Andriamanitra fitaka mahadiso hevitra izy ireo, hinoany ny lainga,

12mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

Famporisihana haharitra

13Ary izahay, ry havana malalan’ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ianareo nofidin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, sy amin’ny finoana ny marina;

14ary ny Evanjelinay no niantsoany anareo ho amin’izany, mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

15Koa tomoera tsara, ry kristianina havana; ary tano ny fampianarana noraisinareo, na ny tamin’ny teny am-bava, na ny tamin’ny taratasinay.

16Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalana alahelo mandrakizay, sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana,

17no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help