1Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Dariosa, tonga tamin’i Zakaria ny tenin’i Iaveh, tamin’ny andro fahefatry ny volana fahasivy, volana Kasleo.
2Naniraka an’i Sarasara sy i Rogomeleky mbamin’ny olony, ny tany Betela hitalaho amin’i Iaveh,
3hiteny amin’ireo mpisorona ao an-tranon’i Iavehn’ny tafika mbamin’ireo mpaminany hoe: «Tokony hitomany va aho, amin’ny volana fahadimy, sy hanao fifadian-kanina, toy ny efa nataoko hatramin’ny taona maro be?»
Fiverenana amin’ny tantaram-pirenena4Dia tonga tamiko ny tenin’i Iavehn’ny tafika nanao hoe:
5«Mitenena ianao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany mbamin’ny mpisorona, ka lazao amin’izy ireo hoe: ‹Raha nifady hanina sy nanao fisaonana ianareo, tamin’ny volana fahadimy sy fahafito, efa hatramin’ny fitopolo taona izay, moa ho Ahy va no nifadianareo hanina?
6Ary raha mihinana sy misotro ianareo moa tsy ny tenanareo va no mihinana sy misotro?
7Moa tsy eo va ireo teny nolazain’i Iaveh tamin’ny vavan’ny mpaminany fahiny, fony mbola nonenana sy nandry feizay i Jerosalema, mbamin’ny zana-bohiny manodidina azy, sady mbola nonenana koa ny Negeba sy ny Sefelah?› »
8Tonga tamin’i Zakaria ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
9Izao no nolazain’i Iavehn’ny tafika: «Manaova fitsarana marina; samia mamindra fo sy miantra ny namany avy,
10aza mampahory ny mpitondratena, na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misain-dratsy ao am-ponareo, hamelezana ny namanareo.»
11Tsy nety nihaino anefa izy ireo, fa nampiodina ny sorony sy nanamafy ny sofiny tsy hahare.
12Nataony tonga toy ny diamondra ny fony tsy hihaino ny lalàna sy ny teny nampitondrain’i Iavehn’ny tafika azy ireo, nolazain’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa nisy fahatezerana mafy avy amin’i Iavehn’ny tafika.
13Ka dia nisy toy izao: Toy ny niantsoany, fa tsy nohenoin’izy ireo; no hiantsoan’izy ireo koa, fa tsy hohenoiko izy ireo, hoy i Iavehn’ny tafika.
14Haeliko any amin’ny firenena rehetra tsy fantany izy ireo, ka ny tany eo aorian’izy ireo hipetraka foana, ary tsy hisy olona handalo na hiverina ao. Ilay tany mahafinaritra iny, ka nataony zary efitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.