1 Salamo. Fihirana fanao amin’ny andro sabata.
2Tsara ny midera an’i Iaveh,
sy ny mankalaza ny Anaranao, ry Avo Indrindra ô,
3ny mitory ny hatsaram-ponao, nony maraina,
ary ny tsy fivadihanao, nony alina,
4amin’ny valiha tory folo, sy amin’ny lokanga,
ary amin’ny fireondreon’ny harpa.
5Mampifaly ahy amin’ny asanao Ianao, ry Iaveh,
ary mientana aho manoloana ny asan-tananao.
6Akory ity halehiben’ny asanao, ry Iaveh,
akory izany halalin’izay fisainanao!
7Ny olona ketrina, tsy mahalala na inona na inona amin’izany;
ary ny adala tsy mahita mangirana amin’izany.
8Raha mirobona toy ny ahitra ny ratsy fanahy,
ka mandroso avokoa izay manao ratsy,
dia ny mba horinganina mandrakizay.
9Fa Ianao kosa, tafasandratra mandrakizay, ry Iaveh.
10Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh,
indreo levona ny fahavalonao,
mihahaka avokoa izay manao ratsy.
11Ary ny tandroko asandratrao, toy ny an’ny ombimanga;
tondrahana diloilo vaovao aho.
12Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko;
ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy.
13Ny marina hitombo tahaka ny rofia;
hisondrotra tahaka ny sedera any Libàna izy.
14Nambolena ao an-tranon’i Iaveh izy,
dia hamony eo amin’ny kianjan’ny Andriamanitsika.
15Mbola hamoa izy amin’ny fahanterany;
sady ho be ranony sy maitso mavana,
16mba hanambara fa marina i Iaveh;
Izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.