1Miverena, miverena ry Solamita.
Miverena, miverena, mba hijerenay anao.
MpampakatraAhoana ianareo no mijery ny Solamita
tahaka ny dihy any Makanaima.
Antoko-mpihira2Endrey izany hatsaran’ny tongotrao misy kapa,
ry zanaka vavin’andriandahy!
Ny filefitry ny valahanao tahaka ny rado,
asan-tanan’ny mpahay zavatra.
3Ny foitra dia kôpy kivorivory
tsy ilaozan-divay voaisy zava-manitra.
Ny kibonao toa varimbazaha mitoby,
voahodidina lisy.
4Ny nononao roa toa zana-tserfavavy roa,
zanaka kamban’ny gazela iray.
5Ny vozonao tahaka ny tilikambo ivoara;
ny masonao tahaka ny kamorin’i Hesebona,
anilan’ny vavahadin’ity tanàna be mponina.
Ny oronao tahaka ny tilikambo any Libàna,
izay manatrika ny ilan’i Damasa.
6Ny lohanao mipetraka eo amboninao tahaka an’i Karmela,
ny volon-dohanao tahaka ny jaky mena;
voasinton’ny fiolikoliny ny mpanjaka.
Mpampakatra7Soa loatra ity ianao, mahafinaritra ity ianao,
ry fitiavako ao anatin’ny fahafinaretana.
8Ny tsangananao manahaka ny fototr’andrendry,
ary ny nononao, no toy ny sampahony.
9Ka hoy aho: Hananika ny fototr’antrendry aho,
dia handray ny sampahony.
Aoka ny nononao ho tahaka ny sampahom-boaloboka;
ny hanitry ny fofon’ainao, ho toy ny an’ny pôma;
10ary ny vavanao ho toy ny divay voafantina...!
AmpakarinaIzay mitsororoka moramora ho an’ny malalako,
mitsoriaka eo amin’ny molotry ny matory.
11An’ny malalako aho,
ary atỳ amiko no alehan’ny faniriany.
12Avia, ry malalako, andeha isika ho any an-tsaha;
andeha isika handry any amin’ny vohitra any.
13Ho any an-tanimboaloboka, vao maraina isika,
ka ho hitantsika raha mitsiry ny voaloboka,
raha mivelatra ny tsiriny,
raha mamòny ny ampongabendanitra;
ary homeko anao ny fitiavako.
14Mamerovero ny hanitry ny mandragora,
ary ao am-bavahadintsika avokoa ny voankazo tsara indrindra,
na ny vaovao na ny tranainy:
notahiriziko ho anao izany, ry malalako.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.