1 Vavaky ny ory, mivesa-pahoriana, sy mandoatra ny fitarainany eo anatrehan’i Iaveh.
2Iaveh, henoy ny fivavahako,
3ary aoka ho tonga hatrany aminao ny fitarainako.
Aza manafina ny Tavanao amin’ny andron’ny fahoriako,
atongilano atỳ amiko ny sofinao,
faingàna hamaly ahy, nony mitaraina aho.
4Fa levona toy ny lasan-ko setroka ny androko,
ary mirehitra, toy ny doran’ny afo, ny taolako.
5Voajinja toy ny ahitra ny foko, ka malazo;
hadinoko aza ny mihinan-kanina.
6Tafaraikitra amin’ny taolako ny nofoko,
azon’ny mitaraina sy misento.
7Tahaka ny pelikano any an’efitra aho,
ary zary toa vorondolo tokana an-tanàna haolo.
8Tsy mahita tory aho mandritra ny alina,
toa vorona manirery eny an-tafon-trano.
9Tsiratsirain’ny rafilahiko tontolo andro aho,
ary ny fahavaloko entim-pisafoahany mianiana ny hamono ahy.
10Mihinan-davenona ho tahaka ny mofo aho,
ary haroako ranomaso ny zavatra sotroiko;
11noho ny hatezeranao amam-pahaviniranao,
fa naingainao aho, ary natsipinao lavitra.
12Tahaka ny aloka efa mandroso mihalava ny androko,
ary mihamalazo toy ny ahitra aho.
13Fa Ianao kosa, ry Iaveh, dia mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay,
ary velona amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovanao.
14Hitsangana Ianao, hamindra fo amin’i Siôna,
fa ny andro hamindram-po aminy,
ny fotoana voatendry dia efa tonga.
15Satria lalain’ny mpanomponao ny vatony,
nampangoraka ny fony hatramin’ny vovo-taniny.
16Amin’izay dia hanaja ny Anaran’i Iaveh ny firenena,
ary hanaja ny fiandriananao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany
17Fa i Iaveh nanangana an’i Siôna indray,
niseho tamin’ny voninahiny Izy;
18nihaino ny vavaky ny fadiranovana,
tsy nanamavo ny fitarainany.
19Aoka hatao an-tsoratra izany, ho an’ny taranaka ho avy;
ary aoka hankalazain’ny firenena vao hiforona i Iaveh.
20Satria nitsinjo amin’ny havoany masina Izy,
satria nitsinjo ny tany teny an-danitra i Iaveh;
21mba hihaino ny fitarainan’ireo voababo,
mba hanafaka an’ireo efa voatendry hovonoina ho faty,
22mba hitorian’ireo ny Anaran’i Iaveh ao Siôna,
sy ny fiderana Azy ao Jerosalema;
23raha avy izay hiangonan’ny firenena rehetra,
mbamin’ny fanjakana, hanompo an’i Iaveh.
24Efa nanaketraka ny heriko teny an-dalana izy,
efa nanafohy ny androko izy.
25Hoy aho: «Ry Andriamanitro,
aza alainao aho eo antenantenan’ny androko,
Ianao izay aharetan’ny taonanao, amin’ny taona mifandimby.»
26Nanorina ny tany tamin’ny voalohany Ianao,
ary asan’ny tananao ny lanitra.
27Ho velona ireo, fa Ianao kosa maharitra,
hihatonta toy ny fitafiana ireo;
hanova azy toy ny lamba Ianao, ka ho voaova izy.
28Fa Ianao kosa maharitra tsy miova,
ary tsy manam-pahataperana ny taonanao.
29Ny zanaky ny mpanomponao honina amin’ny taniny,
ary haharitra eo anatrehanao ny taranany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.