Jeremia 37 - Malagasy Catholic Bible

Fitsarana ankapobeny an’i Sedesiasa

1I Sedesiasa zanak’i Josiasa no nanjaka nandimby an’i Jekôniasa zanak’i Jôakima; i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna no nanangana azy ho mpanjaka amin’ny tanin’i Jodà.

2Kanefa na izy, na ny mpanompony, na ny ankapobem-bahoaka tao amin’ny tany, dia samy tsy nihaino ny tenin’i Iaveh izay notononiny tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany.

Nila hevitra tamin’i Jeremia i Sedesiasa, nony niato kely ny fahirano tamin’ny 588

3Nirahin’i Sedesiasa, mpanjaka, i Jokaly zanak’i Selemiasa, sy i Sôfôniasa zanak’i Maasiasa mpisorona, ho any amin’i Jeremia, mpaminany, hilaza aminy hoe: «Mba mifonà ho anay amin’i Iaveh Andriamanitsika.»

4I Jeremia nifanerasera teo afovoan’ny vahoaka ihany, ary mbola tsy natao an-tranomaizina.

5Ny tafik’i Faraôna kosa efa nivoaka niala teny Ejipta; ary ny Kaldeanina nanao fahirano an’i Jerosalema, nony nandre izany, dia nanalavitra an’i Jerosalema.

6Dia tonga tamin’i Jeremia mpaminany ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

7Izao no teny hataonareo amin’ny mpanjakan’i Jodà naniraka anareo hanontany amiko: Ny tafik’i Faraôna izay efa nivoaka hamonjy anareo, dia hiverina ho any amin’ny taniny any Ejipta indray;

8ary ny Kaldeanina kosa hiverina atỳ ary hiady amin’ity tanàna ity, sady hahafaka azy sy handoro azy.

9Izao no lazain’i Iaveh: Aza mamita-tena foana ianareo, ka manao hoe: «Handeha tokoa ho any lavitra antsika any ny Kaldeanina»;

10fa tsy handeha akory izy ireo. Ary na dia horesenareo aza ny tafiky ny Kaldeanina rehetra izay miady aminareo, ka tsy hisy afa-tsy ny maratra no sisa aminy, dia samy mbola hitsangana ao an-dainy avy ihany ireo, ka handoro ity tanàna ity amin’ny afo.

11Tamin’ny nialan’ny tafiky ny Kaldeanina tao Jerosalema noho ny amin’ny tafik’i Faraôna,

12dia nivoaka avy ao Jerosalema koa i Jeremia, hankany amin’ny tanin’i Benjamina, mba handray ao izay anjarany eo amin’ny vahoaka.

13Kanjo nony mby eo am-bavahadin’i Benjamina izy, indro ny kapitenin’ny mpiambina, atao hoe Jeriasa zanak’i Selemiasa, zanak’i Hananiasa, nisambotra an’i Jeremia mpaminany, nanao hoe: «Miandany amin’ny Kaldeanina ianao.»

14Fa hoy i Jeremia: «Tsy marina izany, tsy miandany amin’ny Kaldeanina aho.» Tsy nihaino izany akory anefa i Jeriasa, fa nosamboriny ihany i Jeremia, dia nentiny nankany amin’ny lehibe.

15Ary nisafoaka tamin’i Jeremia ny lehibe; nikapoka azy izy ireo ary nandatsaka azy an-tranomaizina, tao amin’ny tranon’i Jonatàna mpanoratra, fa nataony tranomaizina izany.

16Nony efa tafiditra tao an-davaka ambanin’ny andohalambo i Jeremia, sady efa nitoetra tao andro maro,

17vao nanirahan’i Sedesiasa nesorina tao. Dia nanontany mangingina tao an-tranony izy nataony hoe: «Moa misy teny avy amin’i Iaveh?» Ka hoy ny navalin’i Jeremia: «Eny!» sady nampiany hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»

18Hoy koa i Jeremia tamin’i Sedesiasa mpanjaka: «Inona no ratsy nataoko taminao na tamin’ireo mpanomponao na tamin’ity vahoaka ity, no dia nalatsakareo an-tranomaizina aho?

19Ary aiza moa ireo mpaminaninareo naminany taminareo, nanao hoe: Tsy ho tonga hamely anareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’i Babilôna;

20koa ankehitriny, masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mba henoy! Ho tonga anie ny fitarainako eo anatrehanao: aza dia averina any an-tranon’i Jonatàna mpanoratra aho, ho faty any.»

21Dia nanome teny i Sedesiasa mpanjaka, hitana an’i Jeremia ao an-kianjan’ny tranomaizina sy hanome azy mofo iray lehibe isan’andro avy any amin’ny araben’ny Mpanao mofo, mandra-pahalanin’ny mofo rehetra ao an-tanàna. Izany no nitoeran’i Jeremia tao amin’ny kianjan’ny tranomaizina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help