Jeremia 12 - Malagasy Catholic Bible

Ny hasambaran’ny ratsy fanahy(Jereo Jôb 21; Sal 49; 73)

1Marina Ianao, ry Iaveh ô,

ka tsy afaka hiady hevitra aminao aho;

fa hany tiako horesahina aminao, dia ny amin’ny rariny:

Nahoana no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy?

Nahoana no velona amim-piadanana ny mpivadika rehetra?

2Ambolenao izy, dia latsa-paka,

mitombo, mamoa;

akaiky ny vavany ianao,

fa lavitra ny fony.

3Ary Ianao, ry Iaveh, mahalala ahy, mahita ahy,

sady mizaha ny toetry ny foko ny aminao.

Alao hoatra ny ondry entina hovonoina ireny,

ary atokàny ho amin’ny andro famonoana.

4Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany,

sy hahalazo ny ahitra eo amin’ny saha rehetra?

Noho ny haratsian’izay monina eo

dia maty avokoa ny biby amam-borona,

fa hoy izy ireo: «Tsy hahita ny hiafarantsika izy!»

5Raha ny mandeha tongotra,

iarahanao mihazakazaka aza, mahavoa anao;

hataonao ahoana no fifaninanana amin’ny an-tsoavaly?

Raha ny tany nandry feizay no hany anananao toky,

hanao ahoana ianao, raha sehatra ny liona eny amoron’i Jordany?

6Fa na rahalahinao amam-pianakavian-drainao aza,

mamadika anao;

ireny aza miantsoantso mafy avy eo aorianao;

aza mino azy, na manao teny malefaka aminao aza izy.

Tarainan’i Iaveh fa voaroba ny lovany

7Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako;

izay tiako dia natolotro

ho eo an-tanan’ny fahavaloko.

8Zary toa liona an’ala ho ahy ny lovako,

nanandra-peo manerona ahy izy,

ka tonga halako.

9Papango sadasada va ity lovako,

ka ifandafaran’ny papango avy hatraiza hatraiza?

Avia ianareo, angony ny biby rehetra eny an-tsaha,

ka ento ireny hihinana!

10Mpiandry ondry maro no nanimba ny tanimboaloboko,

nanosihosy ny taniko,

nanova ny anjara mamiko ho efitra, ho tany lao.

11Nataony rava izany,

ka indro fa lao dia misaona eo anatrehako;

simba avokoa ny tany,

satria tsy misy mandatsaka izany am-po.

12Ny havoana rehetra any an’efitra

dia ahatongavan’ny mpandrava avokoa,

fa i Iaveh manan-tsabatra mandevona

amin’ny tany rehetra hatraiza hatraiza;

tsy misy famonjena ho an’ny nofo rehetra na iza na iza.

13Vary no nafafiny, fa tsilo no jinjainy;

nandany ny herim-pony, fa aim-bery foana izany.

Menàra amin’ny vokatra azonareo;

avy amin’ny firehetan’ny hatezeran’i Iaveh izany.

Fitsarana sy famonjena an’ireo firenena

14Izao no lazain’i Iaveh amin’ireo ratsy fanahy rehetra mifanolotra amiko,

izay mandramatra ny lova nomeko an’i Israely vahoakako:

«Indro hongotako hiala amin’ny taniny izy ireo;

ary hongotako hiala amin’izy ireo koa ny taranak’i Jodà.

15Saingy rehefa voaongotro,

dia hiantrako indray izy ireo.

Ka samy hoentiko ho any amin’ny lovany,

samy ho any amin’ny taniny avy.

16Ary raha mianatra ny lalan’ny vahoakako izy,

ka amin’ny Anarako no hianianany hoe: Velona i Iaveh!

toy ny nampianarany ny vahoakako hianiana amin’ny anaran’i Baala,

dia voaorina eo amin’ny vahoakako izy.

17Fa raha tsy mihaino kosa, dia hongotako izany firenena izany,

hongotako sy haringako izy,» - teny marin’i Iaveh. -

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help