1Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mangalà fàfana lehibe, ka soraty eo, amin’ny soratra azon’ny olona rehetra vakina, izao: ‹Hafaingano ny fandrobana! Mamaboa faingana.› »
2Ary naka vavolombelona mahatoky hiaraka amiko aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria zanak’i Jebarakia.
3Dia nanatona ny mpaminany vavy aho ary nanana anaka izy, ka niteraka zaza lahy. Ary hoy i Iaveh tamiko: «Ataovy hoe: Maher-Salala-Kasy-Baza ny anarany.
4Fa alohan’ny hahaizan’io zaza io miantso hoe: Dada sy Neny dia hoaterina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny haren’i Damasy sy ny babo azo tamin’i Samaria.»
I Siloe sy i Eofrata5Izao koa no nolazain’i Iaveh tamiko:
6«Satria ity firenena ity nanazimba
ny ranon’i Siloe misononoka fandeha,
sy mifaly noho ny amin-dRasìna
sy ny zana-dRomelia,
7noho izany, indro hampiakarin’ny Tompo hanafika azy ireo,
ny ranon’ny ony, sady mahery no lalina,
dia ny mpanjakan’i Asiria mbamin’ny heriny rehetra;
ny masondranony rehetra hosaforany,
ary ny morony rehetra hihoarany;
8ho tafatsofoka amin’i Jodà izy,
ho tondraka sy hanafotra,
hisondrotra mandra-pahatongavany havozona,
ary ny fivelaran’ny elany handrakotra
ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»
Horohoron’ny mpanafika9Manaova akoran’ady, ry vahoaka, nefa ho resy ianareo!
Manongilàna sofina ianareo rehetra,
ry fara vazan’ny tany.
Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy ianareo!
Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy ianareo e!
10Manaova fikasana, nefa hofoanana izany;
manomeza baiko, nefa tsy hisy vokany izany;
satria momba anay Andriamanitra!
I Iaveh, vato hanafintohina11Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko, raha nandray ahy ny tanany,
sy nanoro ahy tsy hanaraka ny lalan’ity firenena ity,
nanao hoe:
12Aza miantso hoe tetika fikomiana
izay rehetra ataon’ity vahoaka ity hoe tetika fikomiana.
Aza matahotra izay atahorany,
na mangovitra akory ianareo.
13I Iavehn’ny tafika, dia Izy no hohamasininareo,
Izy no aoka hatahoranareo sy hangovitanareo.
14Dia ho fitoerana masina Izy,
nefa koa ho vato fanafintohinana
sy ho vatolampy mahasolafaka
ho an’ny firenena roa amin’i Israely,
ho fandrika aman-tonta ho an’ny mponina eny Jerosalema.
15Maro amin’izy ireo no ho tafintohina,
ho lavo, sady ho montsamontsana;
ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
Fanambaràn’i Izaia tamin’ireo mpianany16Fehezo ny teny-vavolombelona,
asio tombokase ny fampianarana ao am-pon’ny mpianatrao.
17Manantena an’i Iaveh izay manafina ny tavany
amin’ny taranak’i Jakôba aho, ary matoky azy.
18Inty aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy,
dia famantarana sy fambara amin’i Israely izahay,
avy amin’i Iavehn’ny tafika,
izay monina ao an-tendrombohitra Siôna.
19Raha avy izay hilazany aminareo hoe:
«Manontania an-dry zareo miantso ny maty,
sy amin’ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika,»
valio hoe: «Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian’ny vahoaka?
dia ny maty va no hilan-tsaina ho an’ny velona?
20Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e!
Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka,
dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
Dia alina21Hirenireny amin’ny tany, vontom-pahoriana sy mosarena,
ary rehefa noana izy hanozona
ny mpanjakany sy ny andriamaniny amin’ny fiafonafonany.
22Hanandratra ny masony any ambony,
dia hanondrika azy amin’ny tany indray:
Ka indro ny fahoriana, ny haizina,
ny tebiteby mampanjombona;
horoahina any amin’ny haizim-pito izy.
23Tsy hisy anefa ny haizim-pito,
amin’ny tany nozoim-pahoriana.
Fisehoan’AndriamanitraToy ny nanotofan’ny andro taloha fahafaham-baraka,
ny tany Zabolôna sy ny tany Neftalì,
no hamenoan’ny andro farany voninahitra,
ny lalan’ny ranomasina,
ny tany an-dafin’i Jordany, ary ny faritanin’ny firenena.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.