1Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:
2«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ataovy hoe: ny vehivavy miteraka, raha tera-dahy, dia haloto hafitoana, haloto tahaka ny amin’ny andro aharariany amin’ny fadim-bolany izy.
3Amin’ny andro fahavalo ny zaza hoforàna;
4fa izy mbola haharitra telo amby telopolo andro amin’ny ra hidiovany, ka tsy hikasika zava-masina, na ho any amin’ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
5Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, toy ny amin’ny andro aharariany amin’ny fadim-bolany; ary haharitra enina amby enimpolo andro amin’ny ra hidiovany.
6Rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka izay zaza naterany, na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona ao anoloan’ny trano lay fihaonana, zanak’ondry iray efa iray taona, hatao sorona dorana; ary vanto-boromahailala iray, na domohina iray, atao sorona noho ny ota.
7Ny mpisorona hanolotra izany eo anatrehan’i Iaveh ka hanao ny fanonerana ho azy, dia hadio amin’ny nandehanan’ny rany izy. Izany no lalàna momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.
8Raha tsy manan-kamidy ny zanak’ondry izy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hoentiny: ny iray hatao sorona dorana, ny iray hatao sorona noho ny ota, hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho azy, dia hadio izy.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.