1Nivory ny fiangonan’i zanak’i Israely rehetra tao Silô, ka nanangana ny trano lay fihaonana. Efa resy teo anoloany ny tany.
2Fito ny foko sisa tsy mbola nahazo ny lovany tamin’ny fokon’ny zanak’i Israely.
3Hoy i Jôsoe tamin’ny zanak’i Israely: «Mandra-pahoviana ianareo no hanao tsikamokamo amin’ny fakana ny tany izay nomen’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo anareo?
4Koa mifidiana telo lahy isam-poko ianareo, dia hirahiko izy, ary hiainga ka hitety ny tany ireo, ka handahatra ny toetry ny tany hizarana azy, ary hiverina atỳ amiko indray.
5Hozarainy fito toko ny tany; i Jodà hitoetra amin’ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak’i Josefa hitoetra amin’ny faritaniny ao avaratra.
6Ianareo àry handahatra ny toetry ny tany hataonareo fito toko, ka hoentinareo mankatỳ amiko, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika aho.
7Fa ny Levita dia tsy mba hanana anjara, ary I Gada sy i Robena mbamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa nahazo ny lovany tany an-dafin’i Jordany any atsinanana, izay nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh azy.»
8Dia niainga ireo lehilahy ireo, ka lasa nandeha, ary nomen’i Jôsoe didy izy ireo raha nandeha mba handaharany ny toetry ny tany ka nataony hoe: «Mandehana ianareo tetezo ny tany, ka alaharo ny toetrany dia miverena atỳ amiko, amin’izay aho hanao filokana ho anareo eto Silao eto anatrehan’i Iaveh.»
9Nandeha ireo lehilahy ireo, ary noteteziny ny tany, nalahany tamin’ny boky ny toetrany isan-tanàna, nataony fito toko, dia niverina tany amin’i Jôsoe tao an-toby tao Silao izy.
10Dia nanao filokana ho azy ireo, teo anatrehan’i Iaveh, i Jôsoe tao Silao, ka tao no nizaran’i Jôsoe ny tany tamin’ny zanak’i Israely araka ny anjarany.
Ny fokon’i Benjamina(Jereo Jen 49,27; Deter 33,12)11Ny fokon-taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany no azon’ny loka, ary ny faritany lasany tamin’ny filokana dia ao anelanelan’ny an’ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Josefa.
12Amin’ny lafiny avaratra ny faritry ny taniny dia nanomboka eo Jordany dia niakatra ny faritra nianavaratra amin’ny kisolosolon’i Jerikô, dia niakatra indray tamin’ny tendrombohitra any andrefana, ary nipaka tamin’ny efitra Bety-Avena.
13Avy eo ny faritra dia nahazo an’i Lozy amin’ny kisolosolon’i Lozy any atsimo, dia i Betela izany; dia nidina indray ny faritry ny tany mankany Atarôt-Adara, nihazo tamin’ny tendrombohitra ao atsimon’i Betôrôna ambany.
14Amin’ny lafiny andrefana dia nandroso ny faritry ny tany ary niolaka hatramin’ny tendrombohitra ao anoloan’i Betôrôna eo atsimo, ka nipaka tamin’i Kariata-Baala, dia i Kariata-Jearima izany, tanànan’ny taranak’i Jodà; izany no lafiny andrefana.
15Amin’ny lafiny atsimo, nanomboka eo amin’ny tendron’i Kariata-Jearima ny faritry ny tany, ary nandroso niankandrefana nipaka tamin’ny lohan’ny ranon’i Neftoà,
16dia nidina ny faritra avy any amin’ny faran’ny tendrombohitra izay tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Enôma, ao amin’ny tany lemaky ny Rafaima, eo avaratra; dia nidina indray nandeha amin’ny lohasahan’i Enôma, mankamin’ny kisolosolo atsimon’i Jeboseanina, dia nidina hatrany amin’ny loharanon’i Rogela;
17nandroso any avaratra ary nipaka tamin’i En-Semesa, nipaka tamin’i Gelilôta izay eo an-tandrifin’ny fiakaran’i Adomima, ary nidina mankamin’ny vaton’i Bôena zana-dRobena,
18nihazo tamin’ny ilany avaratra ny tendrombohitra eo anoloan’ny Arabaha, nidina tamin’ny Arabaha,
19nihazo tamin’ny kisolosolo avaratr’i Bety-Haglà ny faritry ny tany, ary nipaka tamin’ny farany avaratra amin’ny Ranomasin-tSira ny faritry ny tany eo amin’ny vava ranon’i Jordany ao atsimo: izany no farany atsimo.
20Ary ny farany atsinanana dia i Jordany.
21Izany no lovan’ny taranak’i Benjamina amin’ny faritra manodidina azy manontolo, araka ny fianakaviany.
22Ary ny tanànan’ny fokon’ny taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany dia: i Jerikô, i Bety-Heglà, i Eneka-Kaisy, i Bety-Arabà, i Samaraïma,
23i Beteta, i Avîma, i Afarà, i Ofera,
24i Kefara-Emôna, i Ofnì ary i Gabe: tanàna 12 sy ny zana-bohiny.
25I Gabaôna, i Ramà, i Berôta,
26i Mesfe, i Kafarà, i Amôsa,
27i Rekema, i Jarefela, i Tarelà,
28i Selà, i Elefa, i Jebosy, dia i Jerosalema izany, i Gabaata ary i Kariata: tanàna 14, sy ny zana-bohiny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.