1Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampietry azy ireo, sy nanesotra ny fitondrana ny renivohitr’izy ireo teo an-tanany.
2Nandresy ny Moabita koa izy, ary nampandriny tamin’ny tany ireo, dia norefesiny tamin’ny kofehy, ka nandrefy indroan’ny kofehy izy, novonoiny ny eran’ny kofehy, novelominy ny eran’ny kofehy. Dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita, ka nanatitra hetra ho azy.
3Teny an-dalana, fony izy ndeha hampody ny fanjakany eo amoron’ny ony Eofrata, dia resin’i Davida koa i Hadadezera zana-dRohoba, mpanjakan’i Sobà.
4Ary miaramila an-tsoavaly 1.700, miaramila an-tongotra roa alina, no nosamborin’i Davida taminy; ny soavalin-kalesy notraingoin’i Davida avokoa, fa ny mpitarika kalesy zato sisa no notanany.
5Tonga namonjy an’i Hadadezera mpanjakan’i Sobà koa ny Sirianina avy any Damasa, ka noresen’i Davida ny roa alina tamin’ny Sirianina.
6Nametrahan’i Davida miaramila mponina i Sirian’i Damasa, ka tonga mpanompon’i Davida nanatitra hetra ny Sirianina. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.
7Nalain’i Davida ny ampinga volamena tao amin’ny mpanompon’i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema;
8varahina be dia be koa no azon’i Davida mpanjaka, tao Bete sy i Berôta, tanànan’i Hadadezera.
9Nony ren’i Taohò mpanjakan’i Hamata, fa hoe resin’i Davida avokoa ny miaramilan’i Hadadezera,
10dia nirahin’i Taohò ho any amin’i Davida mpanjaka, i Jôrama zanany, hamangy sy hiarahaba azy, noho ny niadiany sy nandreseny an’i Hadadezera, fa niady lava tamin’i Hadadezera i Taohò. Kapoaka volamena sy kapoaka volafotsy ary kapoaka varahina no teo an-tanan’i Jôrama.
11Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh koa izany, toraky ny nanokanany ny volafotsy sy volamena azony tamin’ny firenena rehetra nohitsahin’ny tongony,
12dia i Siria, i Moaba, ny taranak’i Amôna, ny Filistinina, i Amaleka; ary ny avy tamin’ny babo azony tamin’i Hadadezera zanak’i Rohoba, mpanjakan’i Sobà.
13Nahazo laza i Davida fony izy niverina avy nandresy ny Sirianina 18.000, teo amin’ny Lohasahan-tSira.
14Nametrahany miaramila mponina tao Edôma, nametrahany miaramila avokoa i Edôma tontolo, ka dia mpanompon’i Davida avokoa i Edôma rehetra. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.
Fitondrana ny fanjakana(Jereo 1Tan 18,14-17)15Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida, ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.
16I Jôaba, zanak’i Sarvià, no nifehy ny miaramila; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana;
17I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
18i Baniasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ny zanak’i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.