1Mpanjaka 15 - Malagasy Catholic Bible

Fanjakan’i Abiama tany Jodà (913-911)

1Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, no nahatongavan’i Abiama ho mpanjakan’i Jodà.

2Ary telo taona no nanjakany teo Jerosalema. Maakà, zanaka vavin’i Abesalôma no anaran-dreniny.

3Nandeha tamin’ny fahotan-drainy rehetra, izay nataony teo alohany izy, ary tsy mba an’i Iaveh, toy ny fon’i Davida rainy, ny fony manontolo.

4Noho ny amin’i Davida anefa, i Iaveh Andriamaniny dia nanome fanilo azy tao Jerosalema ihany, fa nanangana ny zanany handimby azy, sady nampaharitra an’i Jerosalema.

5Satria i Davida nanao izay mahitsy teo imason’i Iaveh fa tsy mba nivily tamin’ny didy rehetra azony taminy, nandritra ny andro rehetra niainany, afa-tsy tamin’ny raharahan’i Oria, Heteanina, ihany.

6Niady i Rôbôama sy i Jerôbôama tamin’ny andro rehetra niainany.

7Ny sisa tamin’ny asan’i Abiama, mbamin’izay rehetra nataony, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà? Niady i Abiama sy i Jerôbôama.

8Ary nody mandry any amin’ny razany i Abiama, ka nalevina ao an-tanànan’i Davida. I Asà zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Fanjakan’i Asà tany Jodà (911-870)

9Tamin’ny taona faharoapolon’ny nanjakan’i Jerôbôama, mpanjakan’i Israely, no nahatongavan’i Asà ho mpanjakan’i Jodà.

1041 taona no nanjakany tao Jerosalema, ary Maakà, zanaka vavin’i Abesalôma no anaran-dreniny.

11Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh tahaka an’i Davida rainy i Asà.

12Nofoanany tamin’ny tany ny manolo-tena ho mpijangajanga, ary nariany avokoa ny sampy nataon-drainy.

13I Maakà reniny aza, naongany amin’ny maha-renin’ny mpanjaka azy, satria nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny vetaveta, dia nodorany tao amin’ny ranon-driaka Sedrôna.

14Nefa tsy dia foana ny fitoerana avo, na dia an’i Iaveh aza ny fon’i Asà manontolo, tamin’ny andro rehetra niainany.

15Nampidirany ho eo an-tranon’i Iaveh ny zavatra natokan-drainy sy ny zavatra natokan-tenany, dia volafotsy sy volamena ary kapoaka.

16Niady nandritra ny andro rehetra niainany i Asà sy i Baasà mpanjakan’i Israely.

17Niakatra hamely an’i Jodà i Baasà, mpanjakan’i Israely, ary nanorina an’i Ramà izy, mba hisakana ny vahoakan’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.

18Nalain’i Asà kosa ny volafotsy sy volamena sisa rehetra tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, ka nataony teo an-tanan’ny mpanompony; dia nalefan’ny mpanjaka Asà ireo, ho any amin’i Ben-Hadada zanak’i Tabremôna, zanak’i Heziôna, mpanjakan’i Siria nonina tao Damasa, hanao hoe:

19«Aoka hisy fanekena, toy ny tamin-draiko sy tamin-drainao, amiko sy aminao. Ary indro aho mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao, ka andeha tsoahy ny fanekeko tamin’i Baasà, mpanjakan’i Israely, mba hialany atỳ amiko.»

20Dia nohenoin’i Ben-Hadada i Asà mpanjaka, ka nirahiny ny filohan’ny tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka noreseny avokoa i Ahiôna, i Dana, i Abela-Bety-Maakà, mbamin’ny Kenerôta rehetra sy ny tanin’i Neftalì rehetra.

21Nony nandre izany i Baasà, dia nitsahatra tsy nanorina an’i Ramà, fa nitoetra tao Tersà izy.

22Ary nasain’i Asà nantsoina avokoa i Jodà rehetra, tsy nisy nataony afaka na iray aza, dia nentiny ny vato aman-kazo nanamboaran’i Baasà an’i Ramà, ka izany no nanorenany an’i Gabaàn’i Benjamina sy i Masfà.

23Ny sisa tamin’ny asa vitan’i Asà, mbamin’ny herim-po nasehony sy izay rehetra nataony ary ny tanàna naoriny, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà? Narary tongotra anefa izy nandritra ny andron’ny fahanterany.

24Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà ka nalevina teo akaikin’ny razany, tao an-tanànan’i Davida. Ary i Jôsafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Fanjakan’i Nadaba tamin’i Israely

25Tamin’ny taona faharoan’i Asà, mpanjakan’i Jodà, no tonga mpanjakan’i Israely i Nadaba zanak’i Jerôbôama; ary roa taona no nanjakany tamin’i Israely.

26Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, fa nandeha tamin’ny lalan-drainy sy tamin’ny fahotan-drainy izay nampanaoviny an’i Israely.

27Nanao teti-dratsy nanohitra azy i Baasà, zanak’i Ahiasa, amin’ny taranak’i Isakara, ka namely azy teo Gebetôna izay an’ny Filistinina; fa nanao fahirano an’i Gebetôna i Nadaba sy i Israely rehetra tamin’izay.

28Dia matin’i Baasà izy, tamin’ny taona fahatelon’i Asà mpanjakan’i Jodà, ka dia izy no nanjaka nandimby azy.

29Nony tonga mpanjaka izy, dia novonoiny avokoa ny fianakavian’i Jerôbôama, ka tsy nasiany niangana rehefa mety ho olona velona koa tamin’ny fianakavian’i Jerôbôama, fa naringany daholo araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’ny alalan’i Ahiasa mpanompony, avy any Silao,

30noho ny fahotan’i Jerôbôama izay nataony sy izay nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezerany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’izany.

31Ny sisa tamin’ny asa nataon’i Nadaba mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?

32Niady ihany i Asà sy i Baasà mpanjakan’i Israely tamin’ny andro rehetra niainany.

Fanjakan’i Baasà tamin’i Israely (909-886)

33Tamin’ny taona fahatelon’i Asà mpanjakan’i Jodà, dia tonga mpanjaka tamin’i Israely rehetra tao Tersà kosa i Baasà zanak’i Ahiasa, ary 24 taona no nanjakany.

34Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, ary nandeha tamin’ny lalan’i Jerôbôama sy tamin’ny fahotana nampanaoviny an’i Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help