1 Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida mpanompon’i Iaveh.
2Ny tsy fahamarinanao miteny amin’ny ratsy fanahy ao am-pony;
ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy mba eo imasony.
3Fa mandoka tena izy, eo imason’Andriamanitra.
Mihevitra fa hoe angamba tsy ho hitan’Andriamanitra na oviana na oviana
sy tsy hankahalainy ny helony.
4Tsy fahamarinana sy fitaka no tenenin’ny vavany;
efa natsahany ny mahalala sy manao soa.
5Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany;
lalana tsy marina no ifikirany;
tsy ariany ny ratsy.
6Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao,
mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
7Tahaka ny tendrombohitr’Andriamanitra ny hatsaram-ponao,
toy ny hantsana lehibe indrindra ny fitsarànao.
Ry Iaveh, samy tandremanao ny olona sy ny biby.
8Akory ity hasarobidin’ny hatsaram-ponao, Andriamanitra ô.
Ny aloky ny elatrao no itadiavan’ny zanak’olombelona fialofana.
9Boboky ny menaky ny tranonao izy;
ary onim-pifaliana no ampisotroanao azy.
10Fa ao aminao no misy ny loharanon’aina;
ary amin’ny fahazavanao no ahitanay fahazavana.
11Tohizo ny hatsaram-ponao amin’izay matahotra Anao,
sy ny fahamarinanao amin’izay mahitsy fo.
12Aoka ny tongotry ny mpiavonavona tsy hahatratra ahy,
ary ny tanan’ny ratsy fanahy tsy hampandositra ahy!
13Indro fa lavo ny mpanao ratsy!
Voaongana izy sady tsy afa-miarina.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.