1Nanopy ny masoko aho, ka nahita: dia indreo nisy tandroka efatra.
2Dia hoy aho tamin’ilay Anjely niresaka tamiko: «Inona moa ireto?» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no tandroka nampihahaka an’i Jodà sy i Israely ary i Jerosalema.»
3Ary naneho mpanefy efatra tamiko i Iaveh. Ka hoy aho: «Tonga haninona ireto?»
4 Dia namaly Izy nanao hoe: «Iretsy no tandroka nampihahaka an’i Jodà, ka tsy nisy olona nanatràka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok’ireo firenena nanangan-tandroka hamely ny tanin’i Jodà mba hampihahaka azy.»
Fisehoana hita fahatelo: ilay mpandrefy5Nanopy ny masoko aho, ka nahita: ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tanany.
6Dia hoy aho: «Ho aiza ianao?» Ary hoy izy tamiko: «Handrefy an’i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.»
7Tamin’izay niseho ilay Anjely niresaka tamiko, sady nisy Anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;
8ka hoy izy taminy hoe: «Mandehana faingana, milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe: ‹Honenana toy ny tanàna tsy mimanda i Jerosalema, fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.
9Ary Izaho, - teny marin’i Iaveh, - no ho manda afo manodidina azy sy hahazo voninahitra eo afovoany.› »
Fiantsoana indroa an’ireo voasesitany10Avia! Avia! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra,
- teny marin’i Iaveh, -
fa naeliko eny amin’ny faravazantany efatra ianareo
- teny marin’i Iaveh. -
11Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao,
ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!
12Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika:
Ho voninahiny no nanirahany ahy
ho any amin’ny firenena namabo anareo;
satria izay mikasika anareo
mikasika ny anakandriamasony.
13Fa indro Aho manetsika ny tanako eo ambonin’ireny,
ka izy ireo ho tonga remby ho an’ireo manompo azy;
ary ianareo, hahalala fa i Iavehn’ny tafika no naniraka ahy.
14Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanaka vavin’i Siôna,
fa indro Aho tamy, ary honina ao afovoanao,
- teny marin’i Iaveh. -
15Amin’izany andro izany,
maro ny firenena hiraiki-po amin’i Iaveh,
ka ho vahoakako izy ireo;
ary Izaho honina ao afovoanao,
dia ho fantatrao fa i Iavehn’ny tafika
no naniraka ahy ho aminao.
16I Iaveh hanana an’i Jodà ho anjarany
eo amin’ny tany masina;
ary mbola hifidy an’i Jerosalema Izy.
17Aoka hangina eo anatrehan’i Iaveh ny nofo rehetra,
fa hitsangana avy eo amin’ny fitoeran’ny masina Izy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.