1Tamin’ny taona faha-13, nanjakan’i Nabokodonozora mpanjaka, tamin’ny andro faha-22n’ny volana voalohany, no nanapahana ny hevitra tao an-tranon’i Nabokodonozora mpanjakan’i Asiria, ny hamaliany.
2Dia nantsoiny avokoa ny loholony sy ny lehibe rehetra mbamin’ny mpiadiny, dia niara-nihevitra mangingina tamin’ireo izy.
3Nolazainy tamin’ireo fa ny hampanaiky ny tany rehetra ho ambany fahefany no fikasany.
4Nankatoavin’izy rehetra izany lahateniny izany, ka nampiantsoin’i Nabokodonozora i Hôlôferina, komandy ben’ny tafika,
5nilazany hoe: «Miaingà ianao handeha hamely ny fanjakana rehetra any andrefana, indrindra indrindra ireo izay namotsifotsy ny teniko.
6Aoka ny masonao tsy hitsitsy fanjakana iray akory, ary ampanekeo ahy avokoa ny tanàna mimanda rehetra.»
7Tamin’izay dia nantsoin’i Hôlôferina ny lehibe sy ny manamboninahitry ny foloalindahin’ny Asirianina, ka naka miaramila hiantafika, araka ny didin’ny mpanjaka izy; 120.000 no isan’ny miaramila an-tongotra, ary 12.000 ny an-tsoavaly mpandefa tsipìka.
8Rameva maro be tsy hita isa nitondra fitaovana sesehena ho an’ny miaramilany, sy andian’omby aman’ondry tsy tambo isaina, no nampialohainy ny tafiny.
9Nasainy novonoina eny amin’ny halehany ny vary avy amin’i Siria manontolo.
10Volamena sy volafotsy tsy hita noanoa no nalainy tao amin’ny tranon’ny mpanjaka.
11Dia niainga izy sy ny tafiny rehetra, mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly sy mpandefa tsipìka, ka nandrakotra ny tany, mova tsy ny valala.
12Nony avy namaky ny sisin-tanin’i Asiria izy, dia tonga teo amin’ireo tendrombohitra lehibe any Ange, izay ao avaratr’i Silisia, dia nitsofohany avokoa ny tanàna mimanda, dia afany daholo ny fiarovana rehetra.
13Nanihiny ka afany i Melitena ilay tanàna malaza, ary nobaboiny avokoa ny mponina tao Tarsa, mbamin’ny taranak’i Ismaely izay nonina teo an-tandrifin’ny efitra, sy teo atsimon’i Selôna.
14Nita an’i Eofrata izy, dia nankany Mesôpôtamia, ary niadiany an-keriny avokoa ny tanàna mimanda rehetra tamin’izany tany izany, hatramin’ny mason-dranon-driaka Kaborasa ka hatrany amin’ny ranomasina.
15Manaraka izany, dia azony avokoa ny tany rehetra manolotra an’i Eofrata, hatrany Silisia ka hatrany amin’ny faritanin’i Jafeta, izay mandroso mianatsimo.
16Nentiny ho babo avokoa ny taranak’i Madiàna, norobainy daholo ny hareny ary novonoiny tamin’ny sabatra izay rehetra nanohitra azy.
17Avy eo dia nidina teny an-tsahan’i Damasa izy, tamin’ny fotoam-pijinjana, nandoro ny vokatra rehetra sy nampikapa ny hazo amam-boaloboka rehetra.
18Dia raiki-tahotra ny fiadiany ny mponina rehetra amin’ny tany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.