1Nataon’i Davida, tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.
Alef2Te hisaotra an’i Iaveh mandrakariva aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
Bet3I Iaveh no ireharehan’ny fanahiko;
aoka handre sy hifaly ny manetry tena.
Gimel4Miaraha amiko ianareo hankalaza an’i Iaveh:
aoka isika hiara-midera ny Anarany.
Dalet5Nitady an’i Iaveh aho, dia nihaino ahy Izy,
ary nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.
He6Raha mitodika azy ny olona dia miramiran’ny hafaliana,
Vaoary tsy safo-kenatra ny tavany.
Jain7Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh,
sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.
Het8Ny Anjelin’i Iaveh mitoby,
manodidina izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.
Tet9Andramo ka zahao ange izany hatsaran’i Iaveh.
Sambatra ny olona manao Azy ho fialofany.
Iôd10Matahora an’i Iaveh ianareo olo-masiny,
fa tsy ho voan’ny fahantrana izay matahotra Azy.
Kaf11Ny liona tanora mety noana aman-tsy ampy hanina ihany,
fa izay mitady an’i Iaveh tsy orin-java-tsoa akory.
Lamed12Avia, anaka, mihainoa ahy,
hampianariko ny fahatahorana an’i Iaveh ianareo.
Mem13Iza no olona mankamamy ny aina,
iza no maniry andro lava hanaranam-po amin’ny fahasambarana?
Non14Arovy amin’ny ratsy ny lelanao,
ary amin’ny teny fitaka ny molotrao.
Samek15Mandosira ny ratsy ary manaova ny tsara,
mitadiava fihavanana ary katsaho izany.
Ain16Ny mason’i Iaveh mitsinjo ny marina
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
Fe17Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy,
mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany.
Tsade18Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh,
ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Kôf19Eo akaikin’izay torotoro fo i Iaveh,
ary mamonjy izay rera-panahy Izy.
Resh20Iharam-pahoriana matetika ny marina,
fa esorin’i Iaveh amin’izany rehetra izany kosa.
Shin21Miaro ny taolany rehetra Izy,
tsy hisy ho tapaka ireny, na dia iray aza.
Tao22Ny ratsy no mahafaty ny ratsy fanahy;
ary sazina ny mpankahala ny olo-marina.
23Fa avotan’i Iaveh kosa ny fanahin’ny mpanompony;
ary tsy misy faiziny izay rehetra mialoka aminy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.