Salamo 56 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 56 (Volgata 55)Tsy hidaboka ny mitoky amin’Andriamanitra

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ilay Voromahailala gina any an-tany lavitra. Hiran’i Davida. Fony izy nosamborin’ny Filistinina tany Geta.

2Mamindrà fo amiko, ry Andriamanitra,

fa milofo mamely ahy ny olona,

miady amiko tontolo andro izy, sady manenjika ahy;

3mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy,

maro izy ireo miandranandrana miady amiko.

4Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.

5Amin’ny fanampian’Andriamanitra

no iderako ny fahatanterahan’ny teniny.

Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho:

Inona no ho efan’ny olona foana amiko?

6Asiany sain-katezerana mandrakariva ny teniko;

ao amiko no ambentin-keviny rehetra hamerezany ahy.

7Mioko izy, mametraka mpitsikilo izy, mitsikilo ny diako izy,

satria mikendry ny aiko.

8He izany heloka mitambesatra aminy,

ka aiza no hahafahany indray?

Aringano amin’ny fahatezeranao ireo vahoaka ireo, ry Andriamanitra.

9Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako,

efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko;

moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?

10Ka dia hiamboho ny fahavaloko,

amin’ny andro iantsoako Anao;

fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.

11Amin’ny fanampian’Andriamanitra

no iderako ny fahatanterahan’ny teniny.

Amin’ny fanampian’i Iaveh

no iderako ny fahatanterahan’ny fampanantenany.

12Andriamanitra no itokiako,

ka tsy matahotra na inona na inona aho.

Inona no ho efan’izay olona foana amiko?

13Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko;

hanatitra sorona fisaorana aminao aho.

14Fa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana Ianao,

- moa va tsy niaro ny tongotro tsy ho solafaka? -

mba handehanako eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahazavan’ny velona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help