1Ahoana re no mitoetra manirery ity,
ilay tanàna be olona!
Zary toa mpitondratena, ilay nalaza tamin’ny firenena!
izy izay mpanjaka vavy eo amin’ny faritany,
natao mpandoa hetra.
BET2Mitomany amin’alahelo izy, mandritra ny alina,
vonton-dranomaso ny takolany,
tsy misy mampionona azy ireo mpitia azy rehetra;
nivadika taminy ireo namany rehetra,
ka tonga fahavalony.
GIMEL3I Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana,
voaheloka hiasa mafy;
mitoetra any amin’ny firenena,
tsy mahita fitsaharana;
tratr’ireo mpanenjika azy, teo an-kadilànana tery.
DALET4Misaona ny lalan’i Siôna,
fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny.
Rava avokoa ny vavahadiny,
mitaraina ny mpisorony,
miferinaina ny virjininy
ary tra-pahoriana mangidy izy.
HE5Ny mpampahory azy mahery,
ny fahavalony miadana;
fa izy nampahorin’i Iaveh,
noho ny hamaroan’ny fahadisoany.
Ny zanany madinika lasan-ko babo,
eo anoloan’ny mpampahory.
VAO6Afaka amin’ny zanaka vavin’i Siôna
ny voninahitra rehetra;
Ny mpanapaka azy dia hoatra ny serfa
tsy mahita vilona
ka mandeha tsy manan-kery,
eo anoloan’ny manenjika azy.
ZAIN7Tsaroan’i Jerosalema
amin’ny andron’ny fahoriany amam-pirenireneny
ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany,
hatry ny andro fahagola.
Ankehitriny, rehefa lavon’ny tanan’ny mpampahory azy ny olony,
sady tsy misy mamonjy azy,
dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy
ny fifadiany asa.
HET8Nampitombo ny fahotany i Jerosalema,
ka tonga zava-maloto;
mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy,
fa nahita ny fitanjahany;
mandefa feo mitoloko koa izy,
sady miamboho.
TET9Miseho eo ambany rambon’akanjony ny lotony;
tsy nitsapa ny farany izy;
ka mahagaga ny nahalavoany;
sady tsy misy mampionona azy
«Iaveh ô, jereo ity fahantrako,
fa mahery ny fahavalo!»
IOD10Nandroso ny tanany ny mpampahory
naka ny zava-tsoany rehetra;
fa hitany ny firenena,
niditra tao amin’ny fitoerany masina,
dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe:
Tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao izy!
KAF11Misento avokoa ny vahoaka; mitady hanina izy;
izay firavaka ananany, afoiny atakalo hanina,
izay mampody aina ao aminy.
«Jereo Iaveh ô, zahao
ity fietrena nilatsahako.»
LAMED12Ianareo rehetra izay mandeha amin’ny lalana,
jereo ka mahità,
raha mba misy fahoriana toy izao manjò ahy izao,
dia izaho izay nokapohin’i Iaveh,
tamin’ny andron’ny fahatezerany mirehitra.
MEM13Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony,
afo mandoro azy;
novelariny fandrika eo anoloan’ny tongotro,
ka nampihemotra ahy;
nahatrany tamiko ny fahoriana
ka reraka mandritra ny andro izao aho.
NON14Ny jiogan’ny fahotako dia voafehy, tao an-tanany;
voatambatra ho fehezany ireny,
ka mitambesatra amin’ny vozoko,
nataony mihozohozo ny heriko.
Natolotry ny Tompo eo an-tanan’izay tsy leoko aho.
SAMEK15Nalain’ny Tompo avokoa ny mahery rehetra,
izay teto afovoako;
niantso tafika hamely ahy Izy,
nanorotoro ny zatovo lahiko;
nohosihosen’ny Tompo, toy ny eo amin’ny famiazam-boaloboka,
ny virjiny, zanaka vavin’i Jodà.
AIN16Izany no itomaniako,
ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko;
fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy,
mamelombelona ny aiko.
Vontom-pahoriana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
FE17Mananty tanan-droa i Siôna, ...
Tsy misy mampionona azy!
Nantsoin’i Iaveh hamely an’i Jakôba,
ny fahavalony ka manarona azy izy.
Eo afovoan’izy ireo i Jerosalema,
dia zary toa zava-maloto.
TSADE18Tena marina i Iaveh,
satria efa nandà ny didiny aho.
Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa ianareo,
ary mijere ny alaheloko:
ny virjiniko sy ny zatovoko lasan-ko babo.
KOF19Niantso lehilahy mpitia ahy aho, fa nofitahiny;
ny mpisoroko aman-doholona maty ao an-tanàna,
tamin’ilay izy nitady hanina iny hamelomany ny ainy.
RESH20Iaveh ô, jereo ity fahoriako!
Mangotika ny atiko;
mikorontana ny foko ato anatiko,
fa niodina dia niodina tokoa aho.
Eny ivelany, matin’ny sabatra ny zanako,
ao an-trano, fahafatesana koa!
SHIN21Ren’ny olona ny fitolokoko,
nefa tsy misy mampionona ahy izy.
Raha nandre ny manjò ahy ny fahavaloko rehetra,
dia mifaly izy, satria niasa Ianao.
Hampiavy ny andro voalazanao Ianao,
ka ho tonga toa ahy koa ireo!
TAO22Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian’ireo,
mba hitondranao azy, toy ny nataonao tamiko
noho ny fahadisoako rehetra!
Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.