1«Ry Andriamanitry ny razana, Tompon’ny famindram-po ô, izay nanao izao rehetra izao, tamin’ny teninao,
2ary nanangana ny olombelona noho ny fahendrenao, mba hanjaka amin’ny zava-boaary rehetra nataonao,
3sy hifehy an’izao tontolo izao araka ny fahamasinana sy ny fahamarinana, ary hampiasa ny fahefana araka ny fahitsiam-po,
4omeo ahy ny fahendrena izay mitoetra eo anilan’ny seza fiandriananao, ary aza ariana tsy ho anisan’ny zanakao aho.
5Fa izaho dia mpanomponao ary zanaky ny ankizivavinao, olona osa, fohy andro iainana, ary tsy mahafantapantatra loatra ny fitsarana aman-dalàna.
6Na ny lavorary indrindra amin’ny zanak’olombelona aza, raha tsy manana ny fahendrena avy aminao dia isaina ho tsinontsinona.
7Ianao nifidy ahy hanjaka amin’ny vahoakanao, sy hitsara ny zanakao lahy aman-janakao vavy.
8Sady nandidy ahy hanorina tempoly eo amin’ny tendrombohitrao masina sy ôtely ao an-tanàna fonenanao, araka ny mariky ny tabernakla masina hatramin’ny voalohany.
9Eo aminao ny fahendrena izay mahalala ny asanao, izay efa teo, raha nanao izao rehetra izao Ianao, ka mahalala izay voasitraka eo imasonao sy izay marina araka ny didinao.
10Iraho avy any an-danitrao masina izy, iraho avy any amin’ny seza fiandrianan’ny voninahitrao izy, mba homba ahy amin’ny asako, sy hahalalako izay sitrakao.
11Fa mahalala sy mahafantatra ny zavatra rehetra izy, ka dia hitari-dalana ahy amim-pahamalinana amin’ny asa ataoko, ary hiaro ahy noho ny voninahiny.
12Dia ankasitrahinao ny asako; hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny aho; ary ho mendrika ny seza fiandrianan’ny raiko.
13Fa iza moa ny olombelona, afa-kahalala izay hevitr’Andriamanitra? na zovy no hahatakatra izay sitrapon’ny Tompo?
14Miroahanahana ny hevitry ny olombelona, ary anjoanjo ihany ny eritreritray.
15Satria vesaran’ny vatana mety lo ny fanahy, ary vizanin’ny fonenany tany ny saina maro hevitra.
16Zara raha mahavinavina ny eto an-tany izahay; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; koa zovy àry no hahatakatra izay any an-danitra?
17Zovy no nahalala izay sitraponao, raha tsy nomenao ny fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony?
18Izany no nahahitsy lalana an’izay eto an-tany, ka nahalalan’ny olombelona izay sitrakao, ary namonjena azy ireo tamin’ny fahendrena».
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.