1«Tandremo ny volana Abiba, ka ankalazao ny Paka, fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao, fa tamin’ny volana Abiba, raha alina, no nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao nivoaka tany Ejipta.
2Any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany, no hamonoanao ny soron’ny Paka, amin’i Iaveh Andriamanitrao, ny ondry sy ny omby.
3Aza mihinana mofo misy lalivay miaraka amin’ireo sorona ireo, fa mofo tsy misy lalivay no hano mandritra ny hafitoana, dia mofom-pahoriana, satria tamim-pahamaikana no nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, mba hahatsiarovanao ny andro nivoahanao tany Ejipta, amin’ny andro rehetra iainanao.
4Aoka tsy hisy lalivay ao aminao amin’ny faritaninao rehetra mandritra ny hafitoana, ary aza misy avela hiloaka alina ho tra-maraina ny henan’ny sorona novonoinao tamin’ny harivan’ny andro voalohany.
5Tsy ho azonao amonoana ny soron’ny Paka avokoa tsy akory ny tanàna rehetra homen’i Iaveh Andriamanitrao anao,
6fa amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany ihany no hamonoanao ny soron’ny Paka, amin’ilay hariva maty masoandro iny, izay fotoana nivoahanao tany Ejipta.
7Atsatsiho ny sorona ary hano eo amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao; ary nony maraina dia modia ho any an-dainao.
8Henemana no hihinananao mofo tsy misy lalivay ary ny andro fahafito, dia hatao ny fivoriana lehibe ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona ianao.»
Fety hafa9Hanisa herinandro fito ianao, ka raha vao santarina amin’ny antsim-bary ny vary dia hatombokao ny fanisana herinandro fito;
10dia hankalaza ny fetin’ny Herinandro ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, amin’ny fanolorana an-tsitrapo avy amin’ny tananao, araka izay nanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao.
11Any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany no hifalianao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, ianao, ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao, ny Levita ao anatin’ny vavahadinao ary ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena mitoetra eo afovoanao.
12Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa ianao, ka tandremo ny hanatanteraka ireo didy ireo.
13Hafitoana no hankalazanao ny fetin’ny Tabernakla, rehefa voaangonao ny vokatra avy eo am-pamoloana amam-pamiazanao.
14Mifalia amin’izany fety izany ianao, mbamin’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao, ary ny Levita sy ny vahiny mbamin’ny kamboty sy ny mpitondratena ao anatin’ny vavahadinao.
15Hafitoana no hankalazanao ny fety, ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, fa hambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, amin’ny vokatra rehetra, sy amin’ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly eram-po tokoa ianao.
16Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, any amin’ny fitoerana izay hofidiny, dia amin’ny fetin’ny Azima, sy ny fetin’ny Herinandro, ary ny fetin’ny Tabernakla; ka aoka tsy ho tanam-polo fotsiny no hisehoany eo anatrehan’i Iaveh,
17fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fanambinana nomen’i Iaveh Andriamanitrao azy.
Ny mpitsara(Jereo Eks 23,1-3, 6-8)18Asio mpitsara sy andriambaventy ny tanàna homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, araka ny fokonao avy, ary hitsara ny vahoaka ara-drariny izy.
19Aza mampandefitra ny rariny, aza mizaha tavan’olona ary aza mandray kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry sy mampivadika ny tenin’ny marina.
20Araho an-tsakany sy an-davany ny rariny mba ho velona ianao, sy hanana ny tany izay homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Fomba diso21Aza anangananao asera, na hazo na inona na inona, eo an-danin’ny ôtely, izay hatsanganao ho an’i Iaveh Andriamanitrao.
22Aza mba manao tsangam-bato izay halan’i Iaveh Andriamanitrao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.