1Dia niantso mafy teo an-tsofiko Izy nanao hoe: «Manatòna ianareo, mpiambina ny tanàna; samia mitondra ny enti-mandrava eny an-tanany avy.»
2Ka indreo, avy tamin’ny lalan’ny vavahady ambony mitodika mianavaratra, nisy lehilahy enina, samy nitondra teo an-tanany ny zavatra enti-mamely; ary nisy lehilahy anankiray teo afovoan’izy ireo, nitafy rongony fotsy madinika, sy nitondra fombam-panoratan’ny mpanoratra, teo amin’ny fehinkibony. Niditra izy ireo, dia nitsangana teo anilan’ny ôtely varahina.
3Ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely, niakatra avy teo ambonin’ny Kerobima izay nitoerany, nankeo an-tokonam-baravaran’ny trano. Ary i Iaveh niantso an’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika sy nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehinkibony,
4ka hoy i Iaveh taminy hoe: «Mandehana mamaky ny tanàna, mamaky an’i Jerosalema, ka asio marika Tao ny handrin’ny olona misento sy mitaraina, noho ny fahavetavetana rehetra atao ao.»
5Dia hoy koa Izy tamin’iretsy sasany, teo an-tsofiko: «Mandehana manaraka azy, mamaky ny tanàna, ianareo, ka mameleza, aza miantra ny masonareo, aza mamindra fo ianareo.
6Na anti-dahy na zazalahy, na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny Tao ao aminy kosa, aza hatoninareo. Ary eo amin’ny fitoerako masina, manomboka.» Dia nanomboka tamin’ny anti-dahy teo anoloan’ny trano izy ireo.
7Ary hoy Izy taminy: «Lotoy ny trano; fenoy faty ny kianja. Mivoaha ianareo!» Dia nivoaka namely tao an-tanàna izy ireo.
8Nony namely izy ireo, ka izaho irery no sisa teo, dia niankohoka aho, sady nitaraina hoe: «Indrisy! Iaveh Tompo ô! dia haringanao avokoa va ny sisa amin’i Israely, amin’izao ampidinanao ny hatezeranao amin’i Jerosalema izao?»
9Ary hoy Izy tamiko: «Lehibe dia lehibe indrindra ny heloky ny taranak’i Israely sy i Jodà. Feno ran’olona ny tany, feno tsy fahamarinana ny tanàna, fa hoy izy ireo: Afoin’i Iaveh ny tany; tsy mahita na inona na inona i Iaveh.
10Izaho koa, dia tsy hiantra ny masoko; ary tsy hamindra fo Aho; hatsingeriko amin’ny lohany, izay nataony.»
11Dia indro tamy ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika nitondra fombam-panoratana teo amin’ny fehinkibony, nilaza ny nataony, nanao hoe: «Vitako izay nandidianao ahy.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.