1Tamin’izany ny mpanjaka aman’andriandahy amin’ny tanàna rehetra sy amin’ny tany rehetra, dia ny tao Sirian’i Mesôpôtamia, Sirian’i Sobà, Libia ary Silisia, dia naniraka ambasadaoro nankany amin’i Hôlôferina nanao taminy hoe:
2«Aonòny ny hatezeranao aminay, fa aleo velona aina hanompo an’i Nabokodonozora mpanjaka lehibe sy manaiky anao, toy izay maty, sady efa mifaditra ny ahitra amin’ny fahandevozana indray no hahafatesana.
3Indro eo anatrehanao avokoa ny tanànanay rehetra, sy izay mety ho fanananay rehetra, ny tendrombohitra rehetra, ny havoanay, ny sahanay, ny andian’ombinay aman’ondry sy osy, ny soavalinay, ny ramevanay, ny harenay, ary ny fianakavianay.
4Aoka ho eo ambany fifehezanao avokoa izay anananay rehetra.
5Mpanomponao avokoa izahay sy ny zanakay.
6Tongava any aminay, toy ny tompo tia fihavanana, ary alamino araka izay itiavanao azy ny fanompoana hataonay.»
7Dia nidina avy eny an-tendrombohitra i Hôlôferina mbamin’ny mpitaingin-tsoavaliny, tamin-kery lehibe, ka nanjary tompon’ny tanàna rehetra mbamin’ny mponina rehetra amin’ny tany izy.
8Ny tanàna rehetra dia samy nangalany lehilahy mahery sy izay voatsonga hiady, nataony mpanampy.
9Ary loza tokoa ny tahotra nanindry ny olona tamin’izany faritany izany, ka ny mponina tamin’ny tanàna rehetra, na ny andriambaventy na ny olona manan-kaja indrindra, na ny sarambabem-bahoaka, raha tamy izy, dia nivoaka hitsena azy avokoa,
10nitondra satroboninahitra amam-panilo handray azy, nandihy tamin’ny feon’amponga aman-tsodina.
11Na dia izany aza anefa, tsy hain’izy ireo notonena ny hasiahan’ny fony tamin’izany nataony izany.
12Noravany ny tanànan’izy ireo, nokapainy ny hazo masiny.
13Satria didy azony tamin’i Nabokodonozora ny handringana ny andriamanitry ny tany rehetra, mba ho izy irery ihany no antsoina hoe andriamanitra amin’ny firenena rehetra izay azon’ny herin’i Hôlôferina hampanekena.
14Nony avy nitety an’i Sirian’i Sobà, i Apamea rehetra, mbamin’i Mesôpôtamia manontolo izy, dia tonga teo amin’ny Idomeanina, amin’ny tanin’i Gabaà,
15ka nony azony ny tanànan’ireo, dia nijanona telopolo andro teo izy, nanangona ny miaramila rehetra tamin’ny tafika nentiny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.