1Didim-pitsarana.
Tenin’i Iaveh amin’i Israely.
Teny marin’i Iaveh,
izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany,
ary namorona ny fanahin’ny olombelona ao anatiny:
2Indro hataoko tokonana fanozongozona i Jerosalema
ho an’ny firenena manodidina rehetra;
ary ho an’i Jodà koa izany,
amin’ny hanaovana fahirano an’i Jerosalema.
3Ary dia hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany:
i Jerosalema hataoko vato haingaina
ho an’ny firenena rehetra;
ka izay hanainga azy haratra mafy avokoa,
ary hiangon-kamely azy, ny firenena rehetra amin’ny tany.
4Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, -
hataoko azon’ny fahatahorana mafy ny soavaly rehetra,
ary azon’ny fahaverezan-kevitra ny mpitaingina azy;
ny taranak’i Jodà, hisokafan’ny masoko;
fa ny soavalin’ny firenena kosa, hasiako fanjambana avokoa.
5Ny filohan’i Jodà hanao anakampo hoe:
Ny mponina ao Jerosalema dia hery ho ahy
avy amin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’izy ireo.
6Amin’izany andro izany, ireo filohan’i Jodà,
hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin’ny hazo,
toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary,
ka handevona ny firenena rehetra manodidina
eo amin’ny ankavanana sy eo amin’ny ankavia,
ary i Jerosalema dia mbola ho eo amin’ny fitoerana ao Jerosalema ihany.
7Ny lain’i Jodà aloha no hovonjen’i Iaveh,
mba tsy hisandratra ambonin’i Jodà,
ny reharehan’ny taranak’i Davida,
sy ny reharehan’ny mponina ao Jerosalema.
8Amin’izany andro izany, i Iaveh hanangana manda
manodidina ny mponina ao Jerosalema,
ary izay mangozohozo eo amin’izy ireo,
dia ho tahaka an’i Davida amin’izany andro izany,
ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra,
dia ho tahaka ilay Anjelin’i Iaveh, eo anoloan’izy ireo.
9Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany:
Hataoko izay handringanana ny firenena rehetra,
tonga hamely an’i Jerosalema.
10Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida
sy amin’ny mponina ao Jerosalema
ny fanahin’ny fahasoavana amam-piofanana;
ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny.
Ary hanao fisaonana azy izy,
toy ny fisaonana zanaka lahitokana;
hitomany mafy azy izy ireo
toy ny fitomany zanaka lahy matoa.
11Amin’izany andro izany, ao Jerosalema, hisy fisaonana lehibe
toy ny fisaonana tao Adadremôna,
amin’ny lohasahan’i Magedao.
12Ho ao anatin’ny fisaonana ny tany, isam-pianakaviana manokana avy;
ny fianakavian’ny taranak’i Davida manokana,
ny vadin’ireo manokana;
ny fianakavian’ny taranak’i Natàna manokana,
ny vadin’ireo manokana;
13ny fianakavian’ny taranak’i Levì manokana,
ny vadin’ireo manokana;
ny fianakavian’i Semeì manokana,
ny vadin’ireo manokana;
14ny fianakaviana sisa rehetra,
samy manokana isam-pianakaviana, ary ny vadin’ireo manokana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.