Salamo 98 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 98 (Volgata 97)Ilay Mpitsara ny tany

1Salamo.

Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh,

fa nanao fahagagana Izy.

Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina

no nahazoany ny fandresena.

2Nampiharihary ny famonjeny i Iaveh;

nanambara ny fahamarinany teo imason’ny firenena Izy.

3Notsarovany ny hatsaram-pony amam-pahamarinany amin’ny taranak’i Israely.

Ny vazantany efatra,

nahita ny famonjen’ny Andriamanitsika avokoa.

4Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh,

ianareo monina amin’ny tany rehetra.

Ataovy mipoaka amin’ny feon-java-maneno ny firavoravoanareo.

5Mankalazà an’i Iaveh amin’ny harpa,

amin’ny harpa sy amin’ny fihirana.

6Manaova hobin-kafaliana eo anatrehan’i Iaveh Mpanjaka,

amin’ny trômpetra amam-peon’anjomara.

7Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy;

Aoka ny tany mbamin’ny mponina eo aminy hampiseho ny fientanan-kafaliany.

8Aoka ho velon-tehaka ny ony;

aoka hanao hobin-kafaliana ny tendrombohitra rehetra,

9Eo anatrehan’i Iaveh, fa avy hitsara ny tany Izy;

hitsara ny tany araka ny rariny Izy, sy ny vahoaka araka ny hitsiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help