Mpit 7 - Malagasy Catholic Bible

FIZARANA FAHAROATeny mialoha

1Aleo laza soa, toy izy hanitra soa;

ary aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana.

2Aleo mankany an-trano misy fisaonana,

toy izay mankany an-trano misy fanasana;

satria itsy voalohany ny isehoan’ny hiafaran’ny olombelona,

ka atodiky ny velona hieritreritra an’izany ny fony.

3Aleo alahelo toy izay hehy;

fa ny tarehy malahelo, mahasoa ny fo.

4Ny fon’ny hendry, ao an-trano misy fisaonana,

fa ny fon’ny adala, ao an-trano misy fifaliana.

5Aleo mihaino ny fananaran’ny hendry,

toy izay mihaino ny hiran’ny adala.

6Fa toy ny firefodrefotry ny tsilo ambany vilany

ny hehin’ny adala.

Zava-poana koa izany.

7Fa ny fampahoriana, mahavery saina ny hendry;

ary ny kolikoly, mahasimba ny fo.

1. Ny valin’ny atao

8Aleo ny fiafaran’ny zavatra, toy izay ny fiandohany;

aleo fo mahalefitra, toy izay fo miavonavona.

9Aza maika foana ny ho tezitra am-po;

fa ny tratran’ny adala no fitoeran’ny hatezerana.

10Aza manao hoe: Nahoana ny andro taloha,

no tsara noho ny ankehitriny?

fa tsy mba fahendrena no anontaniana an’izany.

11Tsara ny fahendrena miaraka aman-dova,

ary mahasoa an’izay mahita masoandro izy.

12Fa sahala ny fiarovana avy amin’ny vola

sy ny fiarovana avy amin’ny fahendrena;

nefa soa manan-tombo ny fahaizana,

dia mampiaina an’izay manana azy ny fahendrena.

13Jereo ange ny asan’Andriamanitra:

Zovy moa no hahahitsy izay nomelohiny?

14Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana,

ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana:

fa samy nataon’Andriamanitra ireo,

mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.

15Izao rehetra izao no efa samy hitako,

tamin’ny andron’ny hatsinontsinoko.

Misy marina, maty amin’ny fahamarinany;

ary misy ratsy fanahy ela velona amin’ny faharatsiany!

16Aza dia marin-doatra,

ary aza dia miseho ho hendry loatra:

ahoana no hitadiavanao hamono tena?

17Aza dia sompatra loatra,

ary aza dia adala:

Ahoana no hitadiavanao ny ho faty alohan’ny fotoanao?

18Tsara ny hitananao an’ity,

sy tsy hanaovanao mosalahy amin’irỳ;

fa ny matahotra an’Andriamanitra manalavitra ireo zavatra rehetra diso ohatra ireo.

19Ny hendry, omen’ny fahendrena hery,

mihoatra noho ny an’ny mpanapaka folo ao an-tanàna.

20Fa tsy misy olombelona marina amin’ny tany,

izay manao ny tsara, ka tsy manota akory.

21Aza asianao raharaha loatra

izao teny lazaina rehetra izao;

fandrao dia renao manozona anao ny mpanomponao.

22Satria fantatry ny fieritreretanao fa matetika

dia efa nanozona ny sasany koa ianao.

23Hitako tamin’ny fahendrena, fa marina izany rehetra izany;

dia hoy aho: Ho hendry aho!

kanjo nitoetra lavitra ahy ny fahendrena.

24Izay tonga dia lavitra

sady lalina dia lalina; ka zovy no mahatratra izany?

25Nikezaka aho, ary ny foko nitady, hahalala, hamototra sy handalina

ny fahendrena aman’anton-javatra,

ary hitako fa fahaverezan-tsaina ny faharatsiana,

ary rediredy foana ny fitondran-tena adala.

26Ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana

ny vehivavy izay fandrika sy harato ny fony;

ary famatorana ny tanany;

izay matahotra an’Andriamanitra afa-mandositra azy;

fa ny mpanota kosa hosingorany.

27Izao no hitako, hoy ny Mpitory teny,

tamin’ny andinihana ny zavatra tsirairay,

hahitana ny antony,

fa tsy tapaka mikatsaka izany ny fanahiko,

nefa tsy hitako, dia izao:

Nahita lehilahy iray tamin’ny arivo aho,

nefa tsy nahita vehivavy iray tamin’izany isa izany ihany kosa.

28Fa jereo ange, izao no hitako:

Nataon’Andriamanitra mahitsy fo ny olona,

fa mamorona saim-petsy maro kosa izy ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help