Mikea 2 - Malagasy Catholic Bible

Teny mamely an’ireo mpangorona

1Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy

sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony!

Raha vao maraina koa, tanterahiny izany,

raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.

2Tsiriritiny ny saha ka alainy, ny trano koa ka lasany;

anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony,

ny tompo mbamin’ny lovany.

3Ka izao no lazain’i Iaveh:

Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity,

ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo:

ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo,

fa ho andro ratsy izany.

4Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo

sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe:

«Tanteraka tokoa izao,

dia fongana mihitsy isika;

amidiny ho anjaran’ny vahoakako!

Ahoana no angalany izany amiko?

Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?»

5Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina

hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’i Iaveh.

Mpaminany manambara loza

6Aza maminany intsony ianareo, hoy izy ireo maminany.

Raha tsy misy maminany amin’ireto anefa,

tsy hiala ny fahafaham-baraka.

7Ianao, ilay antsoina hoe taranak’i Jakôba,

moa tsy manana fandeferana va i Iaveh?

Izany va no asa fanaony?

«Moa ny teniko tsy mba tenim-pitiavana

ho an’izay mandeha amin’ny hitsiny?»

8Omaly ny vahoakako no nitsangan-ko fahavalo:

ny kapaoty endahanareo hiala eo ambonin’ny akanjo;

ny mizotra tsy manana ahiahy, ataonareo fahavalo.

9Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako roahinareo

hiala amin’ny tranony tsy foiny;

esorinareo eo amin’ny zanany madinika

ny voninahitro hiala aminy mandrakizay.

10«Mitsangàna ianareo, ka mandehana:

fa tsy toerana fitsaharana eto,»

noho ny loto hampijaly anareo,

sy noho ny fampijaliana mampangirifiry.

11Raha misy olona manenji-drivotra,

ka milazalaza lainga manao hoe:

«Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!»

dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity.

Fampanantenana fanarenana

12Hamory anao manontolo Aho, ry Jakôba ô,

hangoniko izay sisa amin’i Israely;

hovoriko hikambana toy ny ondry amin’ny vala izy;

toy ny ondry andiany eo afovoam-bàlany

no ho fisasasasan’ny olona ankabetsahany.

13Miakatra eo alohan’izy ireo, ny mpanabanga.

Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady,

ary mivoaka aminy koa;

ny mpanjaka no mandroso eo anoloany,

ary i Iaveh no mitarika azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help