Tononkira dia Tononkira 6 - Malagasy Catholic Bible

Antoko-mpihira

1Lasa nankaiza ny malalanao,

ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy?

Nitodika nankaiza ny malalanao,

hiarahanay aminao hitady azy?

Ampakarina

2Lasa nidina any an-tanimboliny ny malalako,

dia any an-kisahasahan-kazo mitete dity manitra,

hiandry ondry any an-tanimboliny,

sy hioty lisy any.

3An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako;

miandry ny ondriny any amin’ny lisy izy.

TONONKALO FAHADIMYMpampakatra

4Ry malala, tsara tarehy tahaka an’i Tirsà ianao;

ary mahafinaritra tahaka an’i Jerosalema,

fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila.

5Avilio tsy hijery ahy ny masonao

fa mampitebiteby ny foko.

Ny volonao tahaka ny andian’osy

miantsampitsampy eny ankisolosolon-tendrombohitr’i Galaada.

6Ny nifinao tahaka ny andian’ondry,

miakatra avy any amin’ny fampandroana;

samy manana anaka kambana;

ary tsy misy bada izy ireo na dia iray aza.

7Ny takolakao tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka

alokalofan’ny voalinao.

8Misy mpanjaka vavy enimpolo, vaditsindrano valopolo,

ary zatovo vavy tsy hita isa:

9fa iray monja no voromahailalako, ahy tsy misy pentina;

vavy tokan’ny reniny,

zokim-pitian’ilay nahitany masoandro.

Ireo zatovo vavy nahita azy, niantso azy hoe: Sambatra;

ireo mpanjaka vavy amam-baditsindrano nahita azy dia nidera azy:

10Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana

tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro,

fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila?

11Nidina tany an-tsahan’ny noaie aho

hizaha ny ahitra eny an-dohasaha,

hizaha raha mitsimoka ny voaloboka,

raha mamòny ny ampongabendanitra.

12Tsy fantatro, fa nentin’ny fitiavako aho niakatra

nitaingina ny kalesin’ny vahoakako be voninahitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help